Edito

Tsy hita hantenaina


  • Alarobia 14 Desambra 2016

Ny tantara niainantsika hatramin’izay ihany no mbola miverina mandraka ankehitriny

. Menatra ianao sady sorena raha naheno fanadihadiana tamina haino aman-jery iray namerina ireo karazan-kira milaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra tamin’izany fotoana satria dia mbola mitombina eto amin’ny firenena hatramin’izao. Efa ny taona 1960 sy 1970 no nanakoako tamin’ny onjam-peo ilay hira hoe « fanevan’i prezida » izay mitsikera ny fanamparam-pahefan’ny filoham-pirenena tamin’izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny tafika. Hatramin’izao mitohy ny hetsika. Nanakoako ilay hira hoe «  hopitalim-bahoaka » ny faramparan’ny taona 1990. Afaka mamakafaka koa isika mianakavy amin’izao fotoana izao hoe mba efa niverina ve izay hasin’ny hopitalim-bahoaka izay sa tsia ? Ankehitriny moa dia raikitra indray ny fisambotsamborana ireo manelingelina rehetra na dia efa nanakianana ireo nodimbiasan-toerana aza fony tsy mbola teo amin’ny fitondrana. Tsy nisy niova mihitsy ny zava-nisy teto. Tsy hita hantenaina hitondra fampandrosoana izay mipoitra fa zary fihodinkodinam-balifaty ity no hanabeazan’ireo mpanao politika ny vahoaka.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT