Edito

Tsy hisy vahoaka hanakana


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Tsy hisy vahoaka hanakana ny mpitondra azy mihitsy eo na hifidy hamerina ny fitsidihana izao tontolo izao ao anatin’ny 80 andro toy ilay tantara malaza iray izay aza.

 

 

Tsy vao sambany tamin’ny fivoahana nataon’ny filoham-pirenena tsy nazava tamin’ny vahoaka akory ny vitany farany. Iny niteraka resabe omaly iny moa izany efa nazava tampoka rehefa noteren’ny 6% hipoitra tao. Tsy hisy hanakana ny fanatanterahan’ireo mpitondra ny zony mihitsy saingy ny fanontaniana mipetraka mialoha eo amin’ireo vahoaka Malagasy efa sahirana ny ankamaroany aloha dia ny hoe ahoana ihany ny mikasika ny fanavotana azy ireo. Nomeny fahefana sy karamainy hanatsara ny fiainany ireo mpitondra nifandimby. Navelany hiasa 1 taona sy 10 volana teo izao ity ankehitriny ity ary tokony mbola hanana eo amin’ny 3 taona sy 2 volana eo izany hanatanterahany izay iraka ampanaovin’ny vahoaka azy izay. Tsy ny fanazavana ny fivoahana naha be tsikera omaly ihany araka izany no tena ilainy fa ny fanazavana ireo fivoahana rehetra hatramin’izay, ny nampiasana ireo tetibola maro nambara ho famatsiana iny ady amin’ny Coronavirus iny. Ohatrinona tamin’ilay 800 tapitrisa dolara ihany izany hatreto no nivoaka sy lany? Aiza, hoy ny filohan’ny antenimieran-doholona izay ilay 1000 miliara ariary? Inona ilay drafitra tena izy? Mbola maha fanina ilay vahoaka mpampiasa ny mpitondra io hatramin’izao. IEM sa velirano sa PGE sa Plan Marshall no atao? Ahoana ny tetibola mikasika izany ? Izany hoe tsotra ny fehiny. Aiza ihany no lalan-kizorantsika ity ho any amin’ny tena fampandrosoana marina satria dia iaraha-mahalala fa tsy vitan’ny hoe mbola anatin’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra maneran-tany isika ankehitriny fa mbola mitotongana koa ny toekarena sy ny sandam-bola. Ny fihariana nefa ferana sy potehina an-kolaka hatramin’ny fifanakalozana ara-barotra any ivelany. Izany rehetra izany no tena isan’ny fotony fa tsy hoe sary in-dray mipika ihany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT