Miverina any amin’ny resa-pifidianana indray ny tantaran’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena. Nifoha ny fota-mandry efa niniana nototofana tany aloha.
Raha nambara fa azo raisina nefa tsy mitombina ny fitoriana samihafa tamin’izany, dia toa milaza ny zava-misy ankehitriny fa mibaboka ireo tompon’andraikitra. Asa na nokobonin’ny marina na ahoana, fa nilaza tsy nanontaniana fa tena nisy ny lesoka goavana be. Ny fanontaniana mipetraka taorian’iny dia ny hoe: ahoana ny ho tohiny ? Raikitra ny fifanilihana eo amin’ireo samy tompon’antoka. Endrika iray maneho ny lesoka eo amin’ny andrim-panjakana roa samihafa, izay toa nifampiaro sy tsy nifanipaka tamin’ny fanapahan-keviny, saingy misy mibaboka ankehitriny fa tena nisy ny lesoka niniana notakonana. Izay tokoa angamba ilay hoe tsy hisy takona izay tsy hiseho. Heverina fa vao fanombohana io, fa mbola maro ny zavatra hirefotra ato ho ato. Asa aloha izay hafitsoky ny fanjakana eo anatrehan’io toe-draharaha io, fa iny fibabohana momba ny fifidianana iny dia endrika iray maneho fa mila milamina sy mitady fitoniana. Toa midika mantsy ny toe-draharaha fa tsy marin-toerana sy tena miorina anaty fasika ny fahefam-panjakana azo tamin’ny fifidianana kitoatoa sy ahiana ho feno hosoka. Ny zava-misy ankehitriny anefa dia tena mihenjana sy mamoritra ny mpitondra. Mandeha ny famelezana ireo heveriny fa mpifanandrina politika aminy. Raikitra ny fananganam-pahafavalo. Mety mihevitra ho manana hery sy fahefana, saingy mety hampipongatra sy hahatonga ny hafa hihevitra ny zava-misy, fa malemy sy azo toherina ilay fahefam-panjakana. Tsy afaka ny hirehareha firy ho manana ny fahefana nomen’ny vahoaka satria toa tahaka ny sosoa voatapo-drano taorian’iny fiaikena ny tsy nety iny. Misy ny mpandinika maneho fa endrika maneho fiatombohan’ny fifaranan’ny fahefam-panjakana tsy marin-toerana ny endri-pamoretana sy fandrangarangana hery tahaka izao. Ny hirariana anefa dia ny hilaminan’ny firenena satria ho loza amin’atambo eto indray, raha sanatria hiditra krizy isika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.