Edito

Tsy hisy fahagagana


  • Alarobia 08 Febroary 2023

Ahiana ny hiverenan’ny 7 febroary 2009. Saika namoaka izany fehezanteny izany avokoa ireo mpanao politika naneho ny heviny momba ity raharaha nitranga tamin’ny 14 taona lasa ity nandritry ny fahatsiarovana izany omaly.

Mila mifampidinika. Mila mifanatona. Mila mikaon-doha. Na ireo mpiaradia amin’izao fitondrana izao aza ankehitriny dia hita ho miha mandrisika izany fa tsy ireo ivelan’ny fitondrana ihany. Tsy hisy fahagagana eo ka hoe ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana farany izay mitotaly 9 tapitrisa mahery no ho lasa 13,5 tapitrisa vetivety eo. Efa tsy tratra tao anatin’ny fe-potoana nifanomezana izany iny aloha, araka ny fampitam-baovao nomen’ny CENI ihany. Sarotra ny hino hoe 20%n’ny tetibola aloa hatreto no heno fa an-tanana dia ho feno 100% tampoka eo ao anaty manodidina ny 200 andro. Toa hita ho efa samy itoviana ny tiana ahatongavan’ny ankamaroan’ireo hery politika saingy tsy maintsy mandrirotra adihevitra hisarihana saim-bahoaka angamba aloha mba hanakonana ny sarimihetsika mahazatra!? Ny hoavy moa no hanoritra indray ny ho lalan’izao firenena izao satria dia raha ny tomba-maso aloha dia iaraha-mahita fa sarotra ny toe-draharaha, raha politika no resaka. Hisy fifanarahana na “accord politique” hipoitra amin’ny fotoana efa iandrasan’ny mpanara-baovao azy fotsiny indray ve atsy ho atsy sa hiaraka handamina ny tena tsara ho atao fitsipi-pifidianana sa hanery an-jambany fotsiny izao izay haha tontosa fifidianana izay mety hampanahy toy ny hatramin’izay ny ho tohiny ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT