Tany misy fanjakana eto fa tsy toy ny tamin’ny tetezamita, hoy ilay tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena ankehitriny manoloana ilay hetsika sy an-kivorivory tetsy Ivato notarihin’ny kandida filoha iray.
Nametraka ahiahy ny momba ireo fitaovam-piadiana narantiranty, niampy ireo vahiny izay ambara fa mamolavola ny paikady hoenti-mametraka fandriampahalemana eto amin’ny firenena hono e ! Tsy mahavita azy ve ny mpitandro ny filaminana Malagasy ? Tahaka izay no nambara tamin’ny taona 2009 nentina nanenjehana ilay filoha voafidim-bahoaka naongana ? Tany manana ny fiandrianany ny firenena, saingy ny heverina ho olom-panjakana sokajiana ho masi-mandidy eto amin’ny firenena aza izany tsy noraharahaina sy nodinganina, eny toa tsy mahalala na inona na inona. Hatao inona sy atao ahoana ireo fitaovam-piadiana nampidirina raha tsy lany ny kandida nampiditra azy ? Mandeha ny fifanazavana any an-dapa avy eo rehefa miray latabatra, ka dia mikitombona ny sasany rehefa mahatsiaro voatsindrona. Tsy eo amin’ny fahefana dia efa midingin-drambo sy efa mandragaranga hery sahady, mainka fa sanatriavin’ny vava tonga eo. Tsy miova mihitsy fa mitohy ny bontolo sy ny bodongerona ary ny don-tandroka hoenti-mandemy ny sain’ny rehetra fa azy ny hery sy ny sandry ka tsy maintsy toavina sy harahina amin’ny sitrapony izy ireo. Dia hikombona sy hijanona ho ahiahy ve izany ny momba iny resaka fitaovam-piadiana iny fa tsy hisy ny fandraisana fepetra ? Sao sanatria ka efa fanomanana sahady ny rombo tiana hovolena eto rehefa tsy araka ny noheverin’ny saina aman’eritreritra ny vokatra eo ? Inoana fa handray ny andraikitra sahaza azy ka hisoroka ny savorovoro mety hovolena eto ireo manampahefana sy andrim-panjakana tompon’andraikitra satria tsy hisy hanana tombontsoa amin’ny savorovoro afa tsy ny tia tena sy te hamotika ny firenena. Efa re teto mantsy fa isika tsy maintsy mandresy na inon-kidona na inon-kihatra, izay mampitodika ny saina hieritreritra fa efa misy mikatsaka ny hamerina ny 2009 indray eto ! ! ! ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.