Edito

Tsy hifampifahavalo mandrakizay


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Miha mafana ny rivotra politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mihazakazaka mihitsy aza satria efa tena ankatoky ny fifidianana tokoa isika, ka eo ny efa mametraka ny paikadiny na dia mbola misy ihany aza aloha ny somary mihainohaino.

Misongadina hatry ny ela, ohatra, ny efa karazana famotehana ny hafa, izay hezahin’ny fitondrana am-perinasa habaribary indrindra manoloana ny kandida atahorany. Politika no lalaovina ka dia samy mametraka ny paikadiny, saingy tokony hotsaroana mandrakariva fa amin’io dia tsy misy ny hoe miaraka mandrakizay na koa mpifahavalo mandrakizay, ka ny vahoaka mpanara-dia no mila mitaiza tena tsara mikasika izany mba tsy hisian’ny fahadisoam-panantenana. Mety hiseho araka izany ny fifanantonana amin’ny mpifandrina tany aloha, izay tsy ampoizina ; mety ho vaky ny ady eo amin’ny samy mpiara-dia, izay lojikan’ny politika ary mateti-piseho eto.  Mety hisy ny fifamelana sy fanorenam-pihavanana, izay mety hahatezitra ny mpanara-dia ny andaniny na ny ankilany. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fahaizan’ireo mpanao politika mametraka amin’ny vahoaka sy manaporofo, fa tsy famadihana azy ireo velively no tanjona fa ny fikatsahana ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena, izay mila fifanomezan-tànana sy fampandeferana ny mety ho hambo-po diso toerana. Mila porofoina amin’ny asa izany fa tsy vitan’ny resabe etsy sy eroa, toy ataon’ny mpamadika palitao satria tsy mikatsaka afatsy ny tombotsoany. Na ny vahoaka mifandrafy aza mantsy amin’izany mazava ho azy fa hivondrona sy hifanome tànana. Mifamadibadika toy ny kodiaran-tsarety io, ka izay no tsy hireharehana sy hampibaribariana na hananganam-pahavalo hatrany satria mihevi-tena ho matanjaka, ohatra, noho ny fahefana eo am-pelantanana, ka dia tsy hisokatra sy hanao antsojay ny hafa foana. Tsy hisy firenena handroso izany mihitsy raha mbola manjaka ao anatiny ny fifaminganana sy fifampihetraketrahana hatrany, ka zava-dehibe sy mila hapetraka ny fampihavanam-pirenena tena izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT