Edito

Tsy hery fa tahotra ! Mizotra any amin’ny politikan’ny


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

fampiasan-kery tanteraka ny Filoha teo aloha sy ekipany izay mbola mijanona ho

rambondrambom-pahefana navelany, ary heverina fa mitanila tanteraka aminy. Famoretana sy fampitenenana ny herin’ny basy sisa no hitany fa vahaolana hampanekena ny tsy rariny, hampisotroana ny rano tsy tiana ny vahoaka, hanaovana tian-kano tsy tian-kano amin’ny fifidianana, hampanjakana hatrany ny tsy maty manota, hanarotsaronana ny zava-dratsy maro mety hamatotra aoriana,… Raha mpitondra sy mpanao politika mahatoky ny valerany sy mbola mihevitra fa mamim-bahoaka dia tsy hanan-tahotra na kely monja aza ny fanadiovana ny fifidianana, fa matoa manao izay faraheriny mampanaiky ny tsy azo ekena tahaka izao, dia ao raha ! Mbola sahy hilaza ihany ve fa milamina ny firenena, tsy misy krizy, ary eken’ny rehetra ny endrim-pifidianana mizotra ankehitriny ? Folo andro mialohan’ny ambara fa hanaovana ny latsa-bato isika izao fa iza no manohana sy manome rariny io fifidianana amboletra io ankoatra ny ankolafin’ny mpitondra sy ireo minono ao anatiny ? Tahaka io ve ny fihetsika sy ny fanohanan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena rehefa nisy fifidianana hatramin’izay ?Miharatsy ny fandehan-draharaha, tsy hitarika fitoniana sy fahamarinan-toeran’ny firenena ny amboletra. Ny fampitenena ny herin’ny basy aman-tafondro no heveriny fa hoenti-mampangina sy manampanaiky ny rehetra ny didohany, saingy tsy mbola diso ny tantara hatramin’izay fa tsy mbola nisy fanjakana naharesy herim-bahoaka izany, fa misy fetrany io. Efa ampy ihany koa angamba izay fanaovana sorona sy takalon’aina ny firenena izany, ampy izay ny fanjakazakana sy ny fiheveran-tena ho tompon’i Madagasikara ka sanatria atao tahaka ny vorona azon’adala hatrany ny firenena, hany ka raha tsy maty mifoifoy volo !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT