Tsy hay intsony izay manahirana azy!

Ity fitondrana ankehitriny izao ity


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

izany dia tsy hay intsony izay manahirana azy amin’izao fotoana izao,

indrindra, tao anatin’izay 42 andro tsy nananany governemanta feno izay. Nitondra inona ho an’ny antsoina hoe fampandrosoana ilay firenena malagasy izany ireny fivoahana ivelan’i Madagasikara nandritry ny fotoana maharitra, indrindra, tao Afrika ireny? Hatraiza amin’ny manahirana ilay fitondrana no itoeran’ilay vahoaka malagasy tsy nety tafavoaka anaty fahantrana tato anaty 15 taona mahery izao, fotoana nanombohan’izany atao hoe fitondrana Rajoelina izany? Hatraiza amin’ny filàn’ilay vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao no efa mba voadinik’ilay fitondram-panjakana sy efa mba hanomanany ny tena vahaolana tandrify izany amin’izay fa tsy vahaolana mandalo toy izay nahazatra azy hatramin’izay? 42 andro izany izay no lasa, naha voatendry fanin-diminy indray izany praiminisitra antsoina hoe Ntsay Christian izany. Kely sisa dia hitovy amin’ny fotoana naha teo ny praiminisitra faha mpanjaka Rainilaiarivony, hoy ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao amin’izao fotoana izao. Raha raisina amin’ny tontolon’ny asa mahazatra izany dia ity praiminisitra ity no tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe be traikefa na «expérimenté» indrindra tao anatin’ireo efa nandalo tanatin’izany antsoina hoe repoblika malagasy izany kanefa ankehitriny dia ny asa tokony ho tsotra indrindra amin’ny asana praiminisitra no efa manahirana azy sahady miaraka amin’ny filoham-pirenena, izay mahagaga fa, mbola tsy mahafoy azy ihany na dia eo aza izany zava-misy izany. Governemanta volamena sy hanao fahagagana na «miracle» tokoa angamba ilay ketrehina ka tsy tokony hifaka ny mpitazana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT