Tsy tokony hisy intsony ny adihevitra ny amin'ny praiminisitra fa efa mazava ny resaka fa dia i Jean Omer Beriziky izany no misolo an'i Albert Camille Vital eny Mahazoarivo.
Ny manitikitika ny maro kosa dia ny hananganana ny governemanta. Mbola hisy hotazonina ve amin'ireo minisitra teo aloha sa olom-baovao tanteraka mihitsy no ho hita manaraka eo ? Hijanona ho 32 ihany koa ve ny isan'ny ministera sa hitombo ? Tsy azo eritreretina kosa aloha ny fihenan’io isa io satria seza no resahana eto ka tsy maintsy samy hitaky ny anjarany ireo vondrona politika. Mbola ankamantatra ihany koa hatramin'izao izay hataon'ny ankolafy Ravalomanana, izay nikendry mafy io toerana praiminisitra io saingy nosakanan’ny Frantsay mafy, na dia efa nahoraka ihany aza fa anisan'ireo "favoris" i Botozaza Pierrot. Hita ho sahiran-tsaina ihany ity ankolafin'ny filoha teo aloha ity satria tahaka ny mijery lamasinina mandalo fotsiny fa tsy mety tena tafiditra ao anatiny, noho ny fibahanan’ny Frantsay azy mafy.
Ny ankolafy Ratsiraka moa dia sady tsy nanasonia ny sori-dalana no tsy nanolotra kandida praiminisitra ka azo antoka fa tsy hanolotra anarana minisitra. Ny ankolafy Zafy kosa dia eritreretin'ireo mpanara-baovao politika fa efa somary niova lasy ka mety hahazo tombony manokana amin'ny fizarana ireo ministera. Kandida notohan'ity ankolafy ity mantsy Atoa Omer Berziky, sady iray faritany fiaviana amin’ny Pr Zafy Albert, ka izay mihitsy no nahavoafidy azy raha ny nambaran'ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina no dinihana. Naverimberiny fa kandida natolotry ny mpanohitra io praiminisitra nofinidiny io no sady ankasitrahan'ny sehatra iraisam-pirenena satria efa niara-niasa nandritra ny 9 taona tamin'ny Vondrona Eoropeanina.
Efa kajy politika hatrany am-boalohany ve ny an'ny ankolafy Zafy sa voafandrika ny profesora sa tena misy marina ny fivakisana no dia olon'ny FAT ihany no natolotra ho kandida ? Mifono ambadika politika avo lenta ity resaka ity ary mila arahana akaiky satria azo itarafana tsara ny fomban'ny mpanao politika Malagasy, izay tsy dia manohana foto-kevitra loatra fa na manohana tsangan'olona na jamban'ny vola sy ny tombontsoa manokana mivantana na an-kolaka. Mazava ny resaka eto fa tsy voatendry ho praiminisitra izany Atoa Omer Berziky raha toa ka tsy natolotry ny ankolafy Zafy Albert. Ho hita eo ny ho tohin'ny raharaha, ny profesora Zafy Albert rahateo toa mbola hanao ampamoaka, araka ny tsiliantsofina re. Tsy hay io na ampamoaka momba ny boaderozy na ny mpitondra na ampamoaka momba ireo mpiara-miasa akaiky aminy mety namitaka na nampijabaka na namadika azy tsotra izao. Dia tena tsy hay intsony izay tena marina e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.