Mihodina ihany nefa tsy hita izay fiafarany ! Sahiran-tsaina amin’ny politika mamoaka sy mampiditry ny mpanelanelana ireo mpanao politika eto amintsika.
Ny ankolafy Ravalomanana moa dia nilaza mihitsy, omaly, fa tsy afa-po tamin’ilay taratasy navoaky ny SADC tamin’ity herinandro ity. Tsy dia misy zava-baovao tokoa aloha ao amin’ilay izy fa dia mipasoka ny efa malama fotsiny. Tsy misy toromarika na fanakianana, mahazo aina ny ankolafy Rajoelina amin’ilay izy, satria matoa tsy voakiana izany ry zareo, dia mety ny ataony na dia eo aza ny fanakianana mavaivay ataon’ny mpanohitra amin’ny alalan’ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana. Ity ankolafin’i Dada ity moa asa na manaiky ny zava-drehetra ve ka hijanona ihany ao anaty tetezamita, sa hisintaka hiala ao mihitsy.
Hita ho misoko miadana ihany koa ny Frantsay any ambadibadika any amin’ny fijabahana amin’ny famahana ity krizy ity. Manetsika ny fikambanamben’ireo minisitra aty amin’ny ranomasimbe indray mantsy i Frantsa mba hanaramaso ny raharaha. Efa nisy mihitsy, tamin’ity herinandro ity ny fihaonan’Atoa Marius Fransman sy ilay minisitry ny raharaham-bahiny Seychellois, Jean Paul Adm, izay sady filohan’ny filankevitry ny minisitra aty amin’ny ranomasimbe indianina - zana-tsampan’ny COI na vaomieran’ny ranomasimbe Indianina izay eo ambany fahefan’i Lafrantsa moa, izy io. Atoa Marc Ravalomanana, ao anatin’izany rehetra izany dia tsy re firy maneho hevitra intsony, ary ankamantatra tahaka ny datim-pifidianana ny andro sy volana ary taona mety hiverenany eto. Misavoritaka be ihany ny eto amintsika ary dia miforona etsy sy eroa izao karazana fitakiana rehetra izao, lamaody ny fitokonana sy fangatahana fisondrotan-karama. Rehefa misy ny olana dia mifanilika sy mifanipy baolina eo ny manampahefana, hany ka tsy fantatra intsony izay tena tompon’andraikitra. Dia izao fa samy tavela eto isika mianakavy. Tsy hay intsony izay hiafarana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.