Edito

Tsy handefitra ny manana ny rariny


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Miandry izay ho valim-pifidianana izany isika izao, na dia efa hita sy efa mazava aza ny havoakan’ny Vaomiera misahana izany dia ny CENI.

 

Mitarika ao anatin’io valim-pifidianan’izy ireo io ilay kandida efa namoaka vava fa efa zatra ady ary na inon-kidona na inon-kitranga dia tsy maintsy maharesy. Tsikaritra ny hosoka isan-karazany, nandeha ny herisetra ary nisy vono olona mihitsy aza, niasa ny volabe,… eny tena nokotrehina ny fomba maloto rehetra hahafahana mibata fandresena. Tetehina izany ny fampijoroana fanjakana niainga tamin’ny lalao maloto ka mieritreritra fa hahita rirany sy hiadam-pinaritra eo ve raha azo tokoa ilay fahefana? Sarotra tokoa ny maka io fanjakana io, ary mafy ny hoe efa nahita tsirony sy niliba teo nandritra ny 5 taona ka manimanina ny tongolon’i Egypta indray. Tsy misy adala eto, ka hanenjika sy hanakiana fahatany fa raha lany amin’ny fomba madio sy mangarahara tokoa dia arahaba soa arahaba tsara e! Tsy izay anefa no misy fa manomboka mimenomenona ny olona, manomboka mampiaka-peo noho ny hosoka sy halatra nataon’ny sasany izay mivoaka tsikelikely ny porofo,… Zary hararaotina amin’ny fahendreny ny Malagasy izay nampahantraina. Nanomboka ny taona 2009 rahateo, dia ireny niaraha-nahita ireny ny fanonganam-panjakana fa nilefitra nanana ny rariny ny naongana sy ny vahoaka mpiara-dia. Nopotehina sy nodorana fanana ary voatery nandositra tany ivelany kanefa dia mbola porofoin’ny Malagasy fa mbola maro ny mila an’iny olona iny. Tsy levon’ny vavonin’ny sasany izany ary tsy ho resiny amin’ny lalao madio, ka ezahina halavo amin’ny alalan’ny hosoka sy lalao maloto tamin’izao fifidianana izao. Ny taona 2013 ihany koa dia tsaroana tsara ny fifidianana, izay mbola nisy ny dian-tanan’ireo olon’ny 2009 ka toa nampitsimbadika ny vokatra, fa noleferina ihany e! Mbola izany no katsahina hatao amin’ity indray mitoraka ity satria efa zatra ny lalan-dririnina, saingy efa feno ny kapoaka amin’izao fotoana izao. Ampy izay ny lalao maloto, ampy izay ny fikatsahana fahefana hahafaha-mampitombo ny ambaindain’ny harena satria ny tànana efa zatra mitsotra tsy afaka ny hivokona intsony, hoy ny Malagasy. Ny fandeferana hatramin’izay tsy midika fahalemena, fa fotoana kosa angamba izao hitsanganana sy hijoroana hanoherana ny tsy rariny sy ny tsimatimanota, ka tsy havela hoviravirain’ny mpandrava ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT