Ambony ambany ny firenena satria hatramin’izay ka hatramin’izao dia vahaolana «tip top» na petatoko foana no naroson’ny fitondrana tetezamita, hany ka miverina isaky ny telo volana ny krizy isan-tsokajiny.
Tsy dia voatery hisy ambadika politika ireo karazana fitakiana sendikaly, fa lojikan-javatra ihany. Nampanantena fa hanova zavatra ao anatin’ny fotoana tena haingana Atoa Andry Rajoelina tamin’ny 2009, ary nilokaloka fa hahavita tsara lavitra noho ny nataon-dRavalomanana. Dila ny 2009, nandalo ny 2010, efa hifarana koa ity ny 2011, tsy hita ihany izay tena marina. Kivy sy ketraka ary sosotra ireo olona, mpiasa, mpanao politika nampanantenaina fanovana ka dia izao no fitrangany. Kely sisa dia hikatso tanteraka ny asam-panjakana. Any amin’ny sehatra tsy miankina moa dia efa maro ireo orinasa nikatona, ary mitombo isan’andro ireo mitsipozipozy. Tsy azo hamaivanina mihitsy ireo karazana fitakiana etsy sy eroa ireo fa tokony hitadiavan’ny fitondrana tetezamita vahaolana haingana, mety ho vahaolana teknika io, mety ho vahaolana politika, ary mety ho izy roa mitambatra.
Mandalo krizy mantsy i Madagasikara ka noho izany dia manodidina ny resaka politika ny ankamaroan’ireo olona mipoitra etsy sy eroa, ny fikorontanan’ny tontolo politika no mampisavorovoro ny lafiny sosialy. Mety ho ny fahasahiranana ara-tsosialy koa anefa no nitarika ny olana ara-politika. Mifampiditra ny zava-drehetra, araka izany, ka tokony hodinihana miaraka ireo lafin-javatra maro ireo. Tsy teto an-toerana efa ho telo taona latsaka kely Atoa Marc Ravalomanana. Nilamina ve ary ny teto, ary adinon’ny Malagasy ve izy ? Nahavita tsara noho ny nataony ve ny FAT, ary nihena ve ny kolikoly sy ny fanodinkodinana ny volam-panjakana ? Tsy nanararao-pahefana intsony ve ny mpitondra ? Tsy misy intsony ve ny vahiny mividy tany an-jatony hektara an-tsokosoko ? Nilamina ve ny fiainan’ny vahoaka ?
Asa, samy hafa amin’ny maso sy ny sofin’ny olona rehetra angamba ny an’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny ekipany fa raha ny fahitana ny fiainana amin’izao fotoana aloha dia ratsy lavitra noho ny tamin’ny 2008 e ! Tsy misy jamba mihoatra izay minia mikipy manoloana ny zava-misy. Mazava ny resaka eto fa tena tsy nanaraka ny lojika Atoa Andry Rajoelina, satria raha nandrodana ny jadona izy, dia tokony hahavita tsara kokoa noho ny teo aloha, ary mahay mandamina ny zava-drehetra. Raha tena nanana fandaharan’asa matotra izy ary resy lahatra fa notohanan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa dia tsy nivilivily lalana sy nivoaka niditra tamin’ny resaka fifanarahana politika sy sori-dalana, fa natao ny fitsapan-kevi-bahoaka, notohizana tamin’ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka dia vita ny resaka. Fa matoa tsy nahavita izay tao anatin’ny telo taona dia efa … tsy hanagno raha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.