Tsy haka lesona mihitsy

Miverina hatrany ny sary politika efa nitranga tany aloha !


  • Zoma 17 Janoary 2025

Mitombo ny handalan’ny mpitondra, ka ny ratsy sy tsy nety nokianina mafy sy nentina

nanonganana hafa aza no miakatra avo folo na avo zato heny ankehitriny. Ny fifidianana miha maloto, ny fitondrana miha tsy manaiky diso, ny fitantanana miha mivaona, ny firenena miha potika sy rava,… Fanadiovan-tena no betsaka, fa tsy fanintsiana ny dia. Mbola misy sahy mamendrifendro vahoaka fa izao no mety, efa tena miasa ny fitondram-panjakana. Ny fandrangarangana hery sy basy vao mainka miha zava-doza, ary tena misy sahy milaza fa tsy maharesy tafika sy miaramila. Adino ve fa hatrany anaty baiboly anie ka milaza fa tsy misy mpanjaka avotry ny hamaroan’ny miaramilany e ! Dia mbola hanantena fahagagana ve isika fa ny mpitondra mieritreritra fa hiaro ny seza sy ny tsy fahombiazany amin’ny alalan’ny fandrangarangana hery dia hieritreritra izay fahoriam-bahoaka any ? Ny fanamafisana ny fandrahonana, fampitahorana, fanagadrana,… no zary lasa fomba fiasa manodina ilay fitondrana. Na izany aza, tsapa sy tsikaritra fa miha mikorapaka andro aman’alina, tsy mahatombon-tsiraka, mampiteny izay azo ampitenenina,… May volontratra tanteraka ka zary lasa ny fampihorohoroana andro aman’alina no haparitaka. Dia mbola tsy naka lesona na tsy haka lesona mihitsy ve hoe : firifiry ny mpitondra naneho fa mafy teto, firifiry ny nirehareha tamin’ny fananany tafika sy miaramila, nisy aza ny hita sy noheverina fa nahavita zavatra ho an’ny vahoaka fa mbola niongana, nisy ny lany 99% fa niongana afaka 5 volana, tao ny nanana an’isa tsy azo nohozongozonina tamin’ireo andrim-panjakana fa niongana,… Dia mieritreritra ve ireo mihevi-tena fa manan-kianteherana amin’ny basy sy ny vola fa hiadam-pinaritra na dia efa tapitr’ohatra aza ny tsy fahombiazana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT