Edito

Tsy haitraitra fa tena ilaina


  • Talata 20 Janoary 2015

Sarotra raisina ho an’ny olon-tsotra foana ny politika matetika, indrindra moa amin’ny vanim-potoana tahaka izao iainantsika eto Madagasikara izao. Ny Malagasy rahateo olon’ny fo ka mandray am-po ny zava-drehetra ka mahatonga avy hatrany fahasosorana na fahatezerana miampy alahelo ny fitrangana zavatra tsy nampoizina izay sokajiana fa ratsy avy hatrany

Mety tsy mahafantatra ny marina rehetra momba io tranga io anefa ireo olona miady hevitra, misimisy ihany ny adihevitra na eny an-dalambe io na any anaty fiara fitaterana na any am-piasana na any anaty facebook any. Maro lafy ny zavatra resahana ao, fa ny resaka politika no mbola mampifandramatra olona maro mihitsy. Samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny mantsy, ary rehefa miteny ny fo dia sarotra ny mahita ny marimaritra iraisana fa dia samy mihizingizina amin’ny heviny eo. Izay indrindra no tsy maintsy hanaovana ny fampihavanam-pirenena, ary efa nanomboka nampiseho ohatra tsara ireo filoha 5 na dia misy ihany aza ny indro kelin’ny mpandrafitra. Fa ny zava-dehibe aloha dia niatomboka ilay izy… fahadisoana tanteraka ny filazana fa tsy ilaina ny fampihavanana satria tsy tany miady i Madagasikara. Ekena fa tsy nisy ady an-trano na adim-pko nahafatesana olona an’aliny teto, fa kosa tena nisy ady ara-poto-kevitra izay tena efa nampizara ny Malagasy ary niteraka lonilony any anaty fiarahamonina. Ireny no mila resahana sy ikaroham-bahaolana ary sitranina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT