eto amin’ity firenena ity, na mitonona
ho mpanohana izao fitondràna izao io na ireo milaza azy ho mpanohitra, fa tsy gana malemy no manoloana! Ny mpanao ampihimamba iraisampirenena, hoy ny filazan’ny mpanakanto iray azy izay izao no ezahina toherina eto amin’ity firenena ity. Izany hoe ireo rafitra misy ivelan’izao Madagasikara ka mangeja an-kolaka na mivantana mihitsy ny fahafahan’izany vahoaka malagasy izany misitraka fampandrosoana amin’ny alalan’ny harena rehetra misy ao amin’ny taniny. Misy vondrona iraisampirenena ao. Misy firenena matanjaka ao. Ny tena mahasorena ny maro amin’izao fotoana izao moa, izay tsy isalasalàn’ny betsaka intsony ny miteny azy, dia ny afitsoky ny firenena nanjanaka ity firenena ity nandritry ny taona maro hatramin’izao dia ny ataon’ny frantsay izany. Manoloana ny tranga miseho rehetra eto amin’ilay firenena izay maha be resaka ny mpanara-baovao ary maha be ny tsikera ihany koa toy ny hoe toa ny teo ihany no niverina? Toa ireo olon’ny fitondràna teo aloha ihany no vao mainka mahazo avara-patana ao anatin’ity lazaina hoe fanovàna? Toa ny olona efa nanao ny ataony tao anatin’izany CENI izany ihany no indro averina amin’ny toerany sy ny hafa tsy voatanisa? Dia vao mainka niteraka resabe indray ny herinandro teo izany ny hoe filohan’ny fanavaozana ny repoblika malagasy nifampiantso an-tariby tamin’ny filoham-pirenena frantsay dia naelin’ity farany avy eo fa niresaka taminy. Mampahatsiahy ny nanaparitahan’ireo haino aman-jery frantsay ny resaka fiofoana na «naturalisation» an’ny filoham-pirenena teo aloha ny taona 2023 ity izy. Tian’ny frantsay hazera indray koa ve izany ny filohan’ny fanavaozana dia iniany alaina baraka toy ireny? Heverina fa ezaka lehibe no sady lesona nomen’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika malagasy ny firenena frantsay ny namalian’ny filoham-panjakàna malagasy tamin’ny teny malagasy avokoa ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety frantsay farany teo. Fanamarihana na «symbolique» ny fijery ny fihetsika toy ireny nefa azo antoka fa nidona tany am-parahaton’ny fitondràm-panjakàna frantsay kosa. Mandeha izany io taorian’izay ny fidinana ifotony sy fandraisana fanapahan-kevitra samihafa avy amin’ny fitondràna mijoro. Tsy afaka ny hiteny isika angamba hoe dia tena tsy nisy mihitsy fanovàna na ny kely aza satria fara faha keliny nisy olona sy anaran-drafitra niova tao. Heverina nefa hoe tsara ho tsaroana fa anton’ny filàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra dia satria tsy gana malemy no manoloana!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.