Edito

Tsy folaka fa milefitra


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Nivoaka iny ny valim-pifidianana, ka na nisy aza ny fifanandrinana niainga tany amin’ny latsa-bato, ny fifanolanana tany amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana,…

 

 

 dia ekena izay vokatra eo ho fanajana ny demokrasia, ka dia izany ny mpandresy Atoa Nirina Rajoelina satria didy tsy azo hivalozana iny na dia miteraka adihevitra samihafa aza ilay fandresena. Na izany na tsy izany dia vaovao misongadina sy tena kihon-dàlana ho an’ny firenena izany nahazo filoham-pirenena vaovao izany, saingy tsy izay no hita soritra tamin’ny endriky ny olona teny an-dalambe na teny ambony fiara fitateram-bahoaka omaly takariva, raha ho an’ny ankamaroan’ny olona teto Antananarivo Renivohitra. Hita soritra teny amin’ny endriky ny tsirairay ny fisafidianana hangina sy tsy hisoka-bava haneho hevitra momba izany satria maro no toa malomaloka, ary maro ihany no koa no toa sorena izany. Nahagaga ny maro ny tenin’ilay lehibena andrim-panjakana iray nilaza fa tsy Antananarivo irery akory i Madagasikara, izay toa nanindronana ny atifon’ny vahoaka izay ny fahamarinana no notakiany. Na izany na tsy izany, dia tao ireo naneho ny hafaliany satria nandresy ny kandida notohanany, ary tsy ho filohan’izy ireo irery fa ho filohan’ny rehetra ka tsy tokony hisy ny fifanavakavahana manomboka eto. Hiara-honina eto amin’ity firenena ity, ary hifampitazana sy hifampitsara eto amin’ny teny nomena. Hitsahatra hatreo ve anefa ny adihevitra lehibe momba ilay fandresena toa tsy ny tena dian-tànan’ny vahoaka fa nampiana kajikajy samihafa sy nampitsangana ny maro nitaky ny marina saingy natao ny sakana rehetra nandevenenana ny fahamarinana. Tsy folaka fa mandefitra ny vahoaka, fa manaja ny lalàna raha izay tokoa no tapaka. Tsy vao izao no nandefitra manana ny rariny, fa efa fanintelony io raha ho an’ny kandida Marc Ravalomanana izay tena manam-pahendrena, ka na lazaina fa resy aza dia tena mpandresy amin’ny fahamarinana, mpandresy amin’ny fanajana ny soatoavina Malagasy,… Tsy ho faty ao am-pon’ny Malagasy mandrakizay ny soa nataony ary horaiketin’ny tantara ny fahendreny nandefitra manana ny rariny. Tsy folaka fa milefitra izy sy ny vahoaka ao an-damosiny ary mpandresy i Marc Ravalomanana na tsy eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT