Edito

Tsy fantatra mihitsy e !


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Miandry fa gasy ! Efa fomba fiteny mahazatra eto Madagasikara io. Antontan-taratasy roa samy mafonja no eny am-pelatanan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ankehitriny

 


. Re aza fa toa mbola misy taratasina depiote niova fo … hafa mety ho tonga eny indray. Manodidina hatrany ny fanonganana ny filoham-pirenena io resaka io. Andrasana izay hambaran’ny eny Ambohidahy, andrasana izay fanambarana ofisialy na dia efa fantapantatra ihany aza ny valin-teny. Hita nanomboka omaly, taorian’ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny TIM fa toa lasa lamaody indray ilay hoe miantso amin’ny hisian’ny fitoniana sy ny fifampiresahana. Raha tena izay tokoa moa ilay izy dia arahaba soa, arahaba tsara…Enga anie mba tsy hisy kajikajy politika indray, hoy ny olon-tsotra mba miady hevitra etsy sy eroa. Fa na izany aza dia tsapan’ny rehetra fa hay tena marefo ny fahefan’ity filoham-pirenena nambara fa lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika ity, ka ny olona nosamboriny sy notanany am-ponja indray ity no toa mandamin-dresaka sy manampy azy mba hiaro ny fahefany. Aleo marina mba mitandrintandrina ihany fa tsy fantatra mihitsy izay havoakan’ny ampitso e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT