Tsy fanjariana miha lalina!

Tsy nisy niakatra ankoatran’ny fahantrana teto,


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

hoy ny mpahay toekarena iray. Hatramin’ny mpiofana ho

mpisolovava avy ity no mitaraina ho hiharana antsojay. Mbola saika heno isan’andro manjaka eto amin’ity firenena ity na ny kolikoly na ny tsy fandriampahalemana na ny fifanararaotan’ny mpiara-belona amin’ny resaka fampidanganana ny vidim-piainana eto amin’ity firenena. Miaina anaty tsy fanjariana miha lalina ny firenena kanefa dia tsy misy azon’ny mpiara-monina atao afa-tsy ny mifanebaka sy mifanao vava anaty tambazotran-tserasera io ihany. Ny fihetsiky ny tsirairay any an’elankelan-trano avy eny na eny an-tanàna eny nefa dia samy ahitàna taratra, hita soritra amin’ny tava, hoy ny tononkira, fa miaina anaty fahasahiranana ny isan-tokantrano. Na miha mamaivay aza ny delestazy dia tsy misy fanehoana tsy fahafaliana afa-tsy ny fitokotokonana eny an’arabe eny rehefa maty ny masoandro. Ny tandapa sy ny mpitaty ran-kena ao an-dapa indray no mbola mahay vava fa efa fantatra ny olana fa tsy io foana no roritina eo. Efa fiharian’olona maro sy fitaovana maro ao an-tokantrano no potik’ilay JIRAMA dia mbola ianao indray no diso sy voakihan’ireo mpila ranondranony ao an-dapa mafy fa mandrirotra amin’ny tsy tokony ho olana intsony. Tsy tokony ho olana ho an’ny olompirenena intsony ve izany ny herinaratra tapaka lavareny na ny rano tapaka matetika fa tokony efa hizarana amin’izay? Misy mba afaka manaporofo ve izao ny eo anivon’ny fitondràm-panjakàna fa efa miharin-doha ny toekarena malagasy ankehitriny na hoe niha tsara ny fanabeazana ny zaza malagasy ary azo antoka fa hamiratra tokoa ny hoavin’ity firenena ity atsy ho atsy? Tsy mizotra mankany amin’ny lalana mampandova dezaka ny taranaka intsony, araka ny fanahian’ilay mpanakanto sady mpahaifiarahamonina iny, ve isika amin’izao fotoana izao? Ny feo te hanome vahaolana foana eto no tsy henoina sy miha farina fa aleon’ireo mpanapa-kevitra mamolavola hatrany an’izao tsy fanjariana miha lalina izao!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT