Edito

Tsy fahombiazana tanteraka


  • Zoma 10 Martsa 2023

Efa voafaritra sahady ny teny tokana azo hanambarana ny zava-bitan’izao fitondrana izao tao anatin’izay 4 taona

mahery izay ary sarotra ny hino hoe hitsimbadika izany mandra-pahafeno ny 5 taona nofaritan’ny lalampanorenana hipetrahany eo. Tsy fahombiazana tanteraka! Izay no hany azo ilazana azy. Tsy nahomby ny tetikasa fampandrosoana amin’ny ankapobeny na ny momba ny lalana io na ny tanana vaovao na ny fitaovam-pitaterana toy ny tramway sy teleferika. Tsy nahomby ny paikady napetraka momba ny fandriampahalemana. Olon-doza nanapa-dohana olombelona mitovy aminy aza sahy mampiseho ny zava-bitany amin’ny tambazotran-tserasera. Ny resaka sosialim-bahoaka moa na dia natao aza ny tosika sy ny vatsy tsinjo sy ny tariny rehetra dia vao mainka io mampidangana vidim-piainana io. Na ny lafin’ny toekarena sy famokarana aza matiny satria lasa toy ny laharam-pahamehana hatramin’ny fanafaram-bary. Ny tena zava-doza dia ny tsy fahombiazan’ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Fikorosoham-pahan’izany aza no miseho ho lany. Iza moa no mpanabe tsy miaiky fa ny fari-pahatakaran’ny ankizy ankehitriny dia nidina ambany dia ambany? Miala amin’ny fanitsakitsahana ny antsoina hoe “franchise universitaire” na tsy fanajana ny faritry ny oniversite ny fitondrana dia miditra mihitsy indray amin’ny fanakatonana sekoly ambony miankina amin’ny fanjakana mihitsy. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona kosa angamba izany endrika tsy fahombiazana tanteraka rehetra izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT