Tsy fahombiazana hikirizana

Tsy fahombiazana hikirizana izany


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

hatreto no fomba fitantanana hita hitondrana ity firenena ity.

Ny anarana angamba no hiovaova. Nandalo teo ny governemanta atidoha na «cerveau». Nandimby ny hoe governemantan’ny asa na «gouvernement d’action». Ankehitriny izany dia hoe governemanta hanao fahagagana na «miracle» mihitsy indray no hoe kononkononin’ilay ambara fa filoham-pirenena sy ny praiminisitra ao. Ny praograma ankapoben’ny fitondram-panjakana na PGE moa iny efa niaraha-nahita sy nihaino, amin’ny maha mpanara-baovao, fa tsy nisy fiovana firy iny. Ny filoham-pirenena tsy niova, ny praiminisitra tsy niova, ny rafi-pitantanana ny teo ihany no teo. Ny mpikamban’ny antenimiera roa tonta koa azo lazaina hoe tsy niova satria ny maro an’isa tamin’ny fotoam-piasana voalohany ihany no mbola maro an’isa ankehitriny. Naman’ny mizotra any amin’ny fisainana tokan-jotra na hoe «pensé unique» ankehitriny izany ny firenena rehefa jerena ny odidina rehetra misy. Nitondra fahombiazana ve nefa? Ny tondro rehetra nampahafantarina tao anatin’izay 5 taona mahery izay no mamaly fa tsy nitondra izany fahombiazana na fampandrosoana izany ny rantsa-mangaika tokan-jotra tsy nisy fifandanjan-kery, na ara-kevitra io na ara-pitantanana, fa tsy fahombiazana nikirizana ary raha izao fitrangany izao moa izany dia araka ny efa nambara teo ihany. Mbola tsy fahombiazana hikirizana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT