Tsy fahamatorana

sa fanabadoana vahoaka ?


  • Talata 05 Martsa 2024

Raha nisy Fanjakana tsy sasatry ny fatoran’ny zavatra

ataony sy teny noteneniny angamba dia ity ankehitriny ity no tompondaka tao anatin’ny 60 taona, mba tsy ilazana fa na asiana fifaninanana maneran-tany aza dia tena lohalaharana. Manaporofo ny tsy fahamatorana ara-politika sy ara-pitantanana sa dia efa tena fanabadoana sy fanambaniana vahoaka ankitsirano. Omaly milaza fa tsy handroso mandrakizay isika raha hiantehitra amin’ny mpamatsy vola, kanefa anio fakana sary aza lazaina fa fahatokisan’izao tontolo izao. Voatety ny vazan-tany efatra fa tsy hita izay tena vokatra mahomby azo tsapain-tànana sy miantraika amin’ny firenena. Omaly lazaina fa hanomboka ny tanamasoandro, vonona ny Al Jaber hanangana trano mijoalajoala fa roa taona aty aoriana tsy nisy na biriky iray aza natsangany dia ny Tiorka indray no hanaovana serasera fa ho avy. Tao anatin’ny taona amam-bolana maro maimbo sy difotry ny fako teo Antananarivo, dia izao lasa manome fe-potoana herinandro hatramin’ny folo andro hivahan’ny olana satria nisy fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Akaiky ny fifidianana dia lasa mahay mamaha olana sy haingam-piasa tampoka fa hatramin’izay tsy hita izay tena natao ? Sao dia mba azo hoentina amin’ity resaka 10 andro ity ihany koa ilay famahana ny olam-bahoaka maro fa tsy misy tsy mikolaly ny ambanilatra ? Ny làlana tapitra potika saingy hodiana mitapy araka ny fitanin’ny tanora. Nankaiza ny vola tokony hikojakojana ny làlana no toa tsy nisy nijoro nanazava sy nitondra ny setriny tamin’ny tenin’ilay diplaomaty vahiny fa tany amin’ny resaka fanolanana no nihazakazahan’ny mpitondra ? Betsaka ireo tondro maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra, tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaizana mijery ny laharam-pahamehana,… hany ka miha mikorosy fahana hatrany ny firenena. Tsy ny serasera sy ny fitanisana vina izatsy na izaroa na zavatra lazaina fa hatao sy efa mandeha no taratra sy tondro momba ny fandrosoana fa ny fahafahan’ny isam-batan’olona miaina araka ny tokony ho izy. Mbola heverina hahomby ve ny endrika fanabadoana amin’ny fanaovana be fihetsiketsehana satria akaiky indray ny fotoana ilana ny vatom-bahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT