Edito

Tsy efa mba nahazo lesona ve ?


  • Talata 05 Aprily 2022

Tsy misy fampianarana mihoatra ny zava-misy iainana ankehitriny insony angamba eo amin’ny resaka fitantanana firenena.


Tsy mila mari-pahaizana be fa samy efa mahatakatra tsara amin’izay fa zava-doza ny fananganana fanjakana maimaika sy iarahana amin’ny akamakama; izy say izy indrray avy eo no miady.Manimba firenena ny andrakandrana, rehefa tsy tena niomana dia manararaotra ny loza sy valanaretina misy mba hanilihana ny asa tsy tanteraka; na ihany koa manome tsiny foana izay nitondra teo aloha. Tsy resaka varotra ananana na kafe mitety Tanana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hoe mety foana izay atao ary rehefa lafo fotsiny ny entana dia mody , ary tahaka izay ihany ny rahampitso sy ny amin’ny volana manaraka rehetra.Tsy asa eny amin’ny orinasa afaka haba ihany koa ka hoe manenjika isana “pièce” dia mitomboka ny karama.Mila mpitarika mahay, mahira-tsaina ary manana mpiara-miasa sy ekipa tena vonona hanasoa ny firenena; tsy ny olona rehetra no manana izany toetra izany.Izay no tsy mampety ilay hoe toerana ifandimbiasana sy ny hoe aleo mba ataonay indray.Tsy efa tsapa koa ve izao fa poizina be ilay fizarana toerana araka ny fihaviana ? Inona no manakana tsy hanatsara sy hanavao io fomba fandraisana mpiasam-panjakana ambony io, ka ireo tena mahiratra sy manana toetra mendrika no raisina; fa izao boto sy adala rehetra mahay manoratra CV izao dia indro fa tafiditra ao an-dapa sy mameno minisitera.Dia hahagaga ve raha tahaka izao ny firenena, faha 5 mahantra indrindra maneran-tany, kanefa anisan’ny tany manana harena an-kibon’ny tany maro sy goavana indrindra.Tany mamokatra tsara kanefa manafatra sakafo,Dia tena maha valalanina. Ny hiafarany ataon’ny olona fakana akora dia mitsetsetra fotsiny mitazana.Mila fiovam-penitra goavana, mitaky fiovan’ny fomba fisainana rah ate handroso sy hanana fiainana mendrika kokoa noho izao, fa tsy hionona sy hiteny fotsiny hoe : efa izao no lahatra ka atao ahoana moa e !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT