Edito

Tsy azo saromana


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Ohatra an’ireny sarombilany vaky be dia be tao anatin’izao fotoanan’ny Barea izao indray ihany io.

Tsy azo saromana amin’ny fahombiazan’ireo maherifontsika mbola any Alzeria hatramin’izao mihitsy aloha ny fahasahiranana eto amin’ny tanàna na dia mety ho adino vetivety ihany aza. Efa malaza tato anatin’ny 4 taona moa ny fanaovana ny antsoina hoe fandrendrahana saim-bahoaka na “diversion”. Mety fomba iray hanaovana izany tokoa indray ity CHAN 2022 ity saingy ny zava-misy na “réalité” anefa dia zava-misy hatrany. Vao io izao fa misy mampahatsiahy hoe 950 Ariary izao ny iray kapoaka amin’ny vary. Ahiana mafy ny mosary. Ny lalam-pirenena tapaka, tapaka ihany na efa tranainy io na vao notokanana. Ny tetezana koa toy izany ary tena mampitokona ireo mpitatitra mihitsy. Miaka-bidy daholo ny entana eny an-tsena. Misy ireo tena noho ny toe-draharaha tsy azo anoharana fa misy koa anefa ireo tena manararaotra sy manambaka ny mpiara-belona tsotra izao. Hajanona ny foto-drafitrasa fa ifantohana, hoy ny filoham-pirenena, ny sosialy. Fa angaha moa tsy sehatra mifampiankina izany? Fomba ahoana ary izany, ohatra, no hampiakaran’ireo tantsaha ny vokany any amin’ireo toeram-pihariany avy any nefa ny foto-drafitrasa toy ny lalana izay tapaka sy simba etsy sy eroa ankehitriny ho ajanona aloha? Sa tsy sosialim-bahoaka izany? Vao tsy ela koa izao ny mpampianatra mpikaroka sy ireo mpiasam-panjakana hafa nitaky, nitaraina, andrasana hiangavy mihitsy ve? Mikasika ny mbola tsy fahazoan’izy ireo karama na tambin-karama! Tsy sosialim-bahoaka koa ve izany? Tsy azo saromana izany rehetra izany na mety ho takona vetivety ihany tokoa aza fa dia ho hita eo tokoa moa raha mba hahita andro mihiratra ihany isika ity ao anatin’ity 6 volana farany ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT