Nieritreritra i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa hanamora ny asan’izy ireo sy ny fitantanana ny tetezamita ny fanakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana, kinanjo dia ny mifanohitra amin’izay no hita.
Nisavoritaka tanteraka ireo mpitondra ambony. Mibaribary izao fa tsy matotra ny fiaraha-miasa sy fifampitam-baovao ao ambonimbony ao. Milaza ny minisitry ny serasera fa tsy misy NOTAM izany. Mazava anefa ny voarakitry ny tranokalan’ny Asecna fa baikon’ny filohan’ny FAT no namoahana ilay NOTAM. Ny praiminisitra Beriziky indray dia milaza ho tsy mahalala hoe ho avy ve sa tsia ny filoha teo aloha. Nanambara indray koa izy avy eo fa tsy baiko avy amin’ny governemanta tarihany ny fanakatonana ireo seranam-piaramanidina. Manana fahefana hanao izany ny filohan’ny tetezamita, hoy izy, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI.
Fa iza marina no manapa-kevitra eto ? Mba mifampiresaka ihany ve ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra, sa mbola fitantanan’ankolafy tokana ihany aloha no misy eto amin’izao fotoana, ka Atoa Andry Nirina Rajoelina no mandidy manapaka. Fanimbazimbana tanteraka ny fanatanterahana ny tondrozotra ny fanakanana amin’ny fomba mivantana, na an-kolaka ny fahatongavan’Atoa Ravalomanana eto Madagasikara. Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny Troikan’ny SADC fa tonga avy hatrany ny fampiantsoana fivoriana maika. Raha ny fanampim-baovao voaray moa dia hatramin’ny rahampitso alarobia ity fivoriana ity.
Azo antoka tanteraka fa horesahana mandritra izany ny tranga tamin’ny sabotsy lasa teo sy ny mety ho tohin’ny raharaha, eo ihany koa ny tomban’ezaka amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Ho sahirana ihany anefa ny ankolafy Rajoelina raha hanadio tena ny amin’ny tsy fananany finiavana hanatanteraka izay voasoratra sy nosoniavina. Maridrefy iray, ary azo atao hoe lehibe amin’ny fanaovana tomban’ezaka ny fanatanterahana ny tondrozotra ilay andininy faha-20 momba ny fodian’ireo sesitany politika. Iny mihitsy anefa no voahitsakitsaka sy tsy voahaja ny sabotsy lasa teo. Koa na misy aza ny fifampiraharahana hafa indray, hikarohana marimaritra iraisana amin’ny famahana ny krizy, dia tsy azo eritreretina ny hoe hofafana na hotsoahana io andininy faha-20 io, satria efa dingana iray amin’ny fampihavanam-pirenena sy fametrahana ny fitoniana io, ary antoka takian’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fitondrana tetezamita mba hahafahana mandinika ny famerenana ny fiaraha-miasa aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.