Edito

Tsy azo itokiana


  • Talata 29 Septambra 2015

Lasa any New York-Etazonia indray ny mpitondra fanjakana. Delegasionina mafonja no tarihan’ny filoham-pirenena any, tsy fantatra hoe hanao inona daholo fa dia lasa fotsiny aloha ka ny volam-bahoaka no miasa eto.

 
 Hiezaka ny hiresaka amin’ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena anaty valan’ny firenena mikambana miara-miasa amin’i Madagasikara ireo mpitondra antsika mivahiny any Zamerika ireto. Fa inona ny vokatra tsara ho azon’ny Malagasy avy amin’izany ? Sao lahy ka fisehosehoana fotsiny no atao any e ! Tsy mbola mahatoky izao fitondrana misy eto Madagasikara izao ny sehatra iraisam-pirenena ka mametraka fepetra foana isaky ny mihetsika. Tsy hoe tsy fitiavana ilay izy fa mibaribary fa marefo ary tsy azo atokisana ilay fitondram-panjakana. Manampy trotraka izany dia maro be loatra ny mpitondra fanjakana ambony voatonontonona anaty afera maizina, boaderozy, volamena, varotr’olona ... Farany teo izao dia nisy tompon’andraikitra maromaro amina minisitera indray nigadra noho ny fisandohana diplaoma. Ka ahoana moa no ahatokisana olona tahaka izany ? Ny filoham-pirenena, izy tenany mihitsy aza dia nangalatra kabarin’olona tamin’ny fianianany teny Mahamasina tamin’ny 25 janoary 2014. Ny mahatonga ny olona tsy mahatoky azy koa ny filazana fa hofoanana ao anatin’ny 3 volana na 6 volana farafahelany ny delestazy. Be loatra ny resaka sy ny toky fitaka ka izany no mampisalasala ny olona e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT