Edito

Tsy azo antoka


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Fanamby nambaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teo anatrehan’ireo mpanapa-kevitra ara-toekarena sy rafitra manan-danja aty Afrika, Eoropa, ary ny avy any amin’ny Golf izay nandray anjara tamin’ilay Choiseul Africa

Business Forum tatsy Maraoka ny hametraka an’i Madagasikara ho toerana hiroboroboan’ny fandraharahana na « territoire d'opportunités d'affaires ». Naneho fa misokatra midanadana ny varavarana ho an’ireo mpampiasa vola, ary nampahatsiahy fa nisy ny fanavaozana ho an’ny orinasa nataon’ny Fanjakana Malagasy hanamorana sy hanohanana ireo mpampiasa vola. Noresahina ny resaka fizahantany, ny tanjona goavana momba ny angovo,… Tsara hatrany ny manamarika sy mampahatsiahy, fa isan’ny takian’ny mpampiasa vola ny fandriampahalemana ho an’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ny resaka fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, ny fitoniana politika, ny ady amin’ny kolikoly, ny resaka angovo,… Ny inona amin’ireo no voafehin’ny Fanjakana Rajoelina? Inona ny afera maloto tsy mandeha eto, izay saika ny mpitondra no voatonona matetika? Ratsy avokoa izany amin’ny ankampobeny. Porofo mivaingana io fangoronan’entan’ny Masoivoho Norvezianina eto amintsika io satria isan’ny sarotiny amin’ny kolikoly, fanjakana ratsy tantana,… ireo. Ara-politika, isan’ny hita taratra tao anatin’iny dian’ny Filoha iny tany ivelany ny fisian’ireo mpandraharaha matanjaka eto amintsika, izay saika ireo karana ny ankamaroany. Maro no manombatombana sahady fa dia ireny no ho isan’ny mpamatsy amin’ny fifidianana 2023!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT