Edito

Tsy azo antenaina


  • Talata 28 Novambra 2017

Asa aloha izay fahagagana hataon’ny mpitondra HVM fa raha izao zava-misy iainan’ny olona manerana ny nosy izao dia 1er Tour dia mihintsana ny kandida Rajaonarimampianina.


Nitombo 1000 Ariary be izao ny vidin’ny iray kilao amin’ny fotsimbary ny volana jolay 2017 ka hatramin’ny volana novambra izao. Atao ny fivoriana etsy sy eroa, eo koa ny fanambarana kanefa tsy misy vahaolana hita fa dia mbola midangana be ihany ny vidim-bary eny an-tsena. Efa iainana isan’andro ny fahantrana eo amin’ny Malagasy. Izao misy mpitsoa-ponenana hita mivingitra entana etsy sy eroa, hanabe isa ny efa sahirana eto indray ve, sa hanao inona marina ireny be volombava mirebareba ireny ? Mandeha indray ny kongresim-paritry ny antoko eo amin’ny fitondrana. Fety be mandritra ny roa andro. Nohafarana daholo ireo mpikambana mafana fo avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Tsy nianto-tena izy ireo fa nisy nikarakara. Vola avy aiza io ? Mandeha ny sakafo sy ny revirevy, nisy hatramin’ny afomanga tahaka ny fetim-pirenena. Tsy iadian-kevitra intsony fa dia tsy hahazo famatsiam-bola goavana ny fitondrana HVM. Nitsingerina ihany ity ilay 1 sy 2 desambra nivoriana tany Paris ka nidedahana hoe mahazo 10,6 miliara dolara avy amin’ny mpamatsy vola isika. Ankehitriny anefa zara raha 2,3 miliara dolara amin’io ny fampanantenana fa ho azo. Mibaribary loatra eto ny tsy fahaiza-mitantana sy ny firongatry ny kolikoly ary asa na tena tsy manana paikady hiadiana amin’ilay izy mihitsy ny fitondram-panjakana na mahazo aina amin’ny gaboraraka koa dia aleo handeha eo ihany. Izany ve no mbola antenaina hampandroso ny firenena amin’ny 5 taona manaraka ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT