Edito

Tsy azo antenaina


  • Zoma 13 Martsa 2015

Tokony hiaiky ny fanjakana fa efa tsy voafehiny intsony ny fitantanana ny firenena. Izany no re amin’ny resaky ny olona eny rehetra eny…Efa tena be loatra mantsy ny olana mitranga eto amin’ny firenena, kanefa toa maivana be ny fahitana ny vahaolana aroson’ireo mpitondra, mba tsy itenenana hoe tsy misy mihitsy


. Ny olona anefa efa reraka ihany niaina ilay tetezamita 5 taona, mba nanantena fiovana tena izy fa hoe Hery vaovao, hono. Inona akory no teo fa dia fahoriana vaovao no azo. Manomboka miseho masoandro ny fomba mamohehatra kasain’ny antokon’ny fitondrana atao, dia ny fampiasana ny fahefam-panjakana, ny fanararaotam-pahefana, ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny ambara fa tetikasa maikan’ny filoha mba hanaovana propagandy mialoha ny fotoana. Tsapa ankoatr’io ihany koa fa tena manilika ireo olona tsy azony baikoana hanao ny sitrapony ny mpitondra ankehitriny, volana vitsy mialoha ny fifidianana kaominaly. Efa mazava ny kajy ao anatin’izany fa dia ny hikaroka ny fomba rehetra hampandresena ny HVM amin’io fifidianana io sy izay fifidianana manaraka ho avy eo, tahaka ny fifidianana loholona, ohatra.Ka inona moa izany fa dia miverin-dalana indray ny eto Madagasikara e ! Tsy atao mahagaga mihitsy raha malaina ny hamatsy vola antsika ny avy any ivelany, ary na  ny efa nampiasa vola teto aza mifindra monina mankany amin’ireo nosy hafa manodidina antsika, izay milamina kokoa ara-politika no sady hita taratra fa mandroso sy milamina ara-pitantanana. Fehiny, tsy misy azo antenaina hanatsara ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka eto raha mbola tahaka izao ihany ny fomba fiasa sy fomba fisainan’ny mpitondra fanjakana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT