Edito

Tsy azo alevina ny fahamarinana !


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Toran-kovitra tanteraka ny mpiantehatra amin’ny hosoka sy ny hala-bato satria matahotra mafy amin’ny fivoahan’ny marina.

 

 

Tsy vitan’ny ny mety fisian’ny kolikoly tany amin’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana io, ary mety hotohizana any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia hilamina fa efa tena mafana ny toe-draharaha, ary vonon-kijoro hisakana ny fampanjakana ny ratsy ny vahoaka. “Ny lainga marivo tototra aza haelin’ny akoho tokan’anaka”, hoy ny ohabolan-drazantsika, mainka fa ny hosoka sy halatra efa hita mibaribary izao. Tsy mahatoky tena satria fandresena mifototra amin’ny lalao maloto no hianteherana, ka tsy mahatombon-tsiraka sy manetsika izay rehetra azo hetsehina hisakana ny fivoahan’ny marina. Raikitra fampiasan-kery hamoretana vahoaka. Aoka izay ity famendrofendroana sy filazana ny vahoaka mitaky sy miandany amin’ny fahamarinana ity ho mpanakorontana satria efa hitam-poko hitam-pirenena omaly ny tena mpanakorontana sy mpihantsy ady ary manery ankolaka ny maro an’isa hanaiky lembenana eo anatrehan’ny tsy rariny sy tsy fahamarinana. Tsy vao izao io no fantatra fa efa tany amin’ny sivy na folo taona lasa nisian’ny fanonganam-panjakana. Tsy ny olona efa zatra barofo sy gidragidra mihitsy no andeha hamendrofendro sy hanome lesona ny vahoaka amin’ny hoe aoka izay ny korontana. Tsy ny Malagasy mihitsy no mpanakorontana fa ireo mambam-pahefana mitady lalana hatrany ambanin’ny tany handrombahana fahefana. Nalevina ny rariny sy ny hitsiny ka nampiasaina ny herin’ny vola, kanefa nanao be fandrapaka toy ny fangoronana harem-pirenena tamin’ny halatra sy ny hosoka natao, ka mibaribary toy ny tafika andrefan-tànana ny teti-dratsy rehetra.  Ny fahamarinana no takiana eto, ary ny tsimatimanota no katsahin’ny vahoaka holevonina satria efa tena feno ny kapoaka. Raikitra ny antso avo sy ny hiakiakan’ny valalabemandry andrim-panjakana mahefa ho sahy handray fanapahan-kevitra hentitra hanasaziana ny mpanao hosoka sy kolikoly, mba ho anatry ny sisa. Raha sanatria ny tsy fahamarinana sy ny hosoka no mbola homen-drariny eto, dia asa izay hiseho, fa raha ny hafenoan’ny kapoakan’ny Malagasy aloha dia efa ampy izay fandeferana manana ny rariny izay, hoy ny maro. Mitohy ny tantara !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT