Nahafahana namantatra zavatra betsaka kokoa ny fifampiresahan’ny gazety Tia Tanindrazana mivantana tamin’Atoa Marc Ravalomanana tany Afrika Atsimo, ny zoma 30 novambra 2012 hariva lasa teo.
Maro loatra mantsy ny resabe etsy sy eroa momba azy, koa dia nanamafy izy fa tena misy ny manely tsaho, ary maro ny zavatra tsy marina akory, lazaina momba azy. Efa fomba fiadin’ny mpanao politika ihany moa io fampielezana vaovao tsy marina io, saingy tsy misy amin’izy ireo mihitsy no migadra noho izany. Tsapa tokoa izao fa tsy mbola azo ihodivirana amin’ny famahana ny krizy sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny Atoa Marc Ravalomanana, izy, izay mbola nanamafy hatrany fa vonona ny hiasa ho an’ny firenena. Efa matetika ihany koa ity filoha teo aloha ity no nilaza fa tadiavina hampanginina amin’ny fanomezana vola be izy. Mahazo mahatoky ianareo, hoy i Marc Ravalomanana fa tsy handairan’izany aho. Niantso ireo mpiara-dia aminy koa izy mba tsy hanaiky ny fanambazana vola be.
Dia mazava anie izany ny resaka fa tena mbola matanjaka ara-politika ity filoha teo aloha ity, ka karohana ny fomba rehetra mba hanilihana azy e ! Raha toa ka efa tsy manana ny maha izy azy intsony sy nosokajiana fa tsy tian’ny vahoaka Atoa Marc Ravalomanana, dia tsy nisy izao fihetsiketsehana maro samihafa haminganana sy hanapotehana azy izao. Efa ela izy no tafody teto raha tena resy lahatra i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa efa tsy tian’ny olona intsony ity filoha teo aloha ity. Fahatahorana no betsaka dia mody avily ny resaka hoe : mety hiteraka korontana ny fiverenany eto. Efa fantatra mazava tsara anefa fa tsy ho tanteraka araka ny tokony ho izy ny fifidianana raha tsy tonga eto Atoa Marc Ravalomanana. Raha sanatria aza ka manao amboletra hanao fifidianana tahaka ny tamin’ny 17 novambra 2010 ihany ny fitondrana tetezamita, dia tsy hitondra voka-tsoa ho an’i Madagasikara mihitsy izany fa vao miha hanome vahana ny krizy sy fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy.
Tsy maintsy hisy ny fehin-kevitra havoakan’ny SADC, momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara ato anatin’ny roa herinandro farafahatarany ka miankina amin’izay ny zava-drehetra. Novoizina be tato ho ato ilay fironana “ni….ni”, ka hatramin’ny praiminisitra aza dia efa manaiky azy io. Feno hazakazaka arahin-tosika eo amin’ny tontolo politika amin’izao fotoana ka misy mihitsy ny miezaka mamafa ny anaran’izany hoe Marc Ravalomanana izany, ao koa ny te hanao zava-baovao mihitsy ka te hanilika ny filohan’ny tetezamita sy ireo filoha rehetra teo aloha. Fomba fiady daholo izany ary miezaka mikaroka izay hitany fa metimety aminy sy ny foto-keviny ireo mpanao politika. Tsy misy maharatsy ny fipoiran’ny hevi-baovao fa tsy afaka ny hiroso isika raha tsy milamina aloha ny krizy ka miravona ny disadisa rehetra tany aloha. Izay indrindra no tsy maha mety ny fanilihana an’i Marc Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.