Mitsipaka marindrano ny fahatongavan’i Joaquim Chissano eto Madagasikara sy ny mbola hidirany amin’ny fanelanelanana ho famahana ny krizy i Alain Ramaroson, filohan’ny vaomiera misahana ny fandriampahalemana, araka ny fanehoan-kevitra nataony. Tsy azo ekena intsony ny fahatongavan’i Chissano eto mba hanakorontana indray antsika araka ny nambarany. Tsy nihambahamba ihany koa izy nilaza fa mitongilana loatra any amin’ny filoha teo aloha i Chissano ka tsy mendrika ny hanelanelana izany intsony. Isika rahateo dia tsy mitovy amin’ny Afrikanina lian-dra sy mifamono lava, hoy i Alain Ramaroson ka noho izany dia tsy tokony ho ny Afrikanina mihitsy no hanoro hevitra antsika sy hibaiko antsika amin’ny fikarohana vahaolana hamahana ny krizy eto amintsika. Namerimberina ihany koa moa ity mpikambana FAT ity fa tokony mba hanana ny tena hambom-pom-pirenena sy hanaja ny fiandrianam-pirenena amin’izay ny Malagasy fa tsy hanaiky hobaikon’ny vahiny lava izao. Aminy dia efa tsy manan-kery ary tokony hivalona ho tantara ny fifanarahan’i Maputo sy ny mitovitovy aminy rehetra fa ny fanaovana ny Dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena no tena zava-dehibe ary azo antoka fa hipoiran’ny vahaolana mahomby sy maharitra.
Soatoavintsika ambony indrindra amin’ny Malagasy ny fihavanana araka ny nambaran’i Alain Ramaroson ka tokony atao fototra iaingana amin’ny fifampiresahna sy fifampidinihana. Tsy mampaninona araka ny nambarany raha toa ka miakatra kely ny feo na misy mihitsy ny fifamaliana noho ny hevitra tsy mitovy mandritra ny Dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena, satria rehefa mivoaka daholo ny ao am-po rehetra, dia afaka miresaka am-pitoniana amin’izay ary mikaroka ny vahaolana eken’ny rehetra. Nohamafisiny kosa anefa fa tsy tokony atao maimaika ny zava-drehetra fa aleo haneho ny heviny avokoa ny rehetra. Arak’izany dia tsy niova tamin’ny fahafantarana azy hatramin’izay, ity mpikambana FAT malaza ho be gidragidra ity fa tena mandà hatrany ny hisian’ny fanelanelanana avy any ivelany ary tena manakiana mafy sy tahaka ny manambany mihitsy ny Afrikanina izay nolazainy fa mifamono lava. Somary adinon’ingahy Ramaroson kely anefa fa na niady sy nifandramatra tokoa aza ny firenena Afrikanina maro dia efa nahita ny vahaolana amin’izany, ary maro ireo diplomaty Afrikanina no manana traikefa manokana amin’ny famahana ny krizy tahaka ny misy eto Madagasikara, izay efa nambaran’ny avy any ivelany fa sarotra lavitra noho ny ady an-trano fahita aty Afrika. Tsy azo adinoina ihany koa fa ny fianakaviambe iraisam-pirenena no nanendry an’i Joaquim Chissano hitarika ny GIC fa tsy i Marc Ravalomanana na olon-kafa ; ary araka ny nambaran’ny manampahaizana manokana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana dia : «efa mazava fa avy amin’ity filoha Mozambikanina teo aloha ity no hiavian’ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fitondrana mijoro eto, fa tsy hisy mihitsy ny lalan-kafa ankoatr’izay. Na misy aza ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena, dia tsy maintsy ampidirina ao anatin’ny fehin-kevitra amin’izany ny ventin-kevitra nijoroan’ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ary ny fihaonana farany tany Pretoria».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.