Edito

Tsy avotra intsony ity e !


  • Alarobia 23 Mey 2018

Efa tena tsy avotra intsony fa fahagagana sisa andrasana, raha ny tsindry mahazo ity fanjakana ity!


 Tena miandry tsipaky ny miala aina tokoa ve sa kosa miandry fahagagana? Sa efa mipetrapetraka ny resaka sy ny fifanarahana amin’ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba hiaro amin’ity efa seza mihozohozo noho ny fitoriana mitaky ny fanalana azy ity? Dia mbola miezaka ny hampiseho fa mamim-bahoaka ihany, hono, ka dia ho avy amin’ny angady sy ny harona hamory vahoaka eny Antsonjombe indray ny sabotsy ho avy izao e! Minia manadino sa efa tena very tadidy fa vao tsy ela akory anie izay no afa-baraka tetsy Mahamasina rehefa saika haka fom-bahoaka tamin’ny kabaro sy tsaramaso niampy vary kely tsy mahavita taona e! Nanao angoan-tenda ery ry Rivo Rakotovao rehefa vaky bantsilana ny fizaram-bola ho an’ny olona nanatrika ny diaben’ny fisandratana tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina, fa saran-dàlana ho an’ny mpanohana, hono, ireny. Fa maninona marina moa raha tena mahavita azy raha tsy asiana resa-bola sy fanambazana izy ity, dia ho toy ny etsy an-kianja hoe ny faharesen-dahatra mihitsy no mahatonga ny olona ho avy eny an-kianja sy manohana ny tolona satria leo sy tofoky ny fanjakana, ka dia manohana ny foto-kevitra “Miala Rajao”. Tena raha mahatoky valera aloha efa ela no nanakan-kambo hanaiky fifidianana madio sy mangarahara, dia manaiky hotsarain’ny karatra, saingy izay ilay hoe adin’ny kanosa sy ny malemy. Inona re no hitranga vao ho tonga saina e?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT