Edito

Tsy atokisana intsony


  • Talata 26 Jolay 2022

Rehefa mandinika ny fanehoan-kevitr’ireo heverina fa olobe sy olon-kendry eto amin’ny firenena tato ho ato na koa hoe ireo heverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena saingy ivelan’ny fitondram-panjakana dia lasa ny saina.

Tafiditra ao anatin’izany sokajin’olona sy rafitra voalaza teo izany moa izany, ohatra, ry zareo eo anivon’ny FFKM, ny CFM, ny SECES, ny sasantsasany amin’ireo ampanjaka. Raha ny fananarana sy fanairana, izany hoe, ny lafiny ara-moraly hatramin’izay no nandrasana amin’izany fanambaran’ny FFKM izany, toy ny hoe mila jerena, ohatra, fa miha mitombo ny mpanolana eto amin’ny tanana na miha mirongatra ny tsy fandriampahalemana na ny mpifoka rongony na ny tanora miteny ratsy ka manainga ny mpitondra, ohatra, mba handray ny andraikiny manoloana izany, dia tsy tahaka izay mahazatra izay intsony no endriky ny fanambaran’ireto lehibena fiangonana Kristianina efa-dahy ireto farany teo. Aza manahy fa mijery antsika i Jesoa Kristy Tompo, hoy izy ireo. Tsy natodik’ireto mpitondra fivavahana ireto tany amin’ny mpitondra fanjakana intsony noho izany ny tokony hipetrahan’ny fitokisan’ny vahoaka fa avy hatrany dia tany amin’ilay mpahary. Maha ketraka ny saina sy fo marefo ny maheno karazana fampaherezana toy izany satria matetika dia any anaty famangiam-pahoriana izany no heno. Ohatry ny hoe tsy misy azo atao intsony fa lalana tsy maintsy diavin’ny miankandrefam-baravarana rehetra ity fa dia mahaiza mionona tompoko mba tsy hilazana hoe efa lahatra ho antsika ity fahantrana ity. Toy ny nodisoin’ireto raiamandreny ireto ilay filazana taloha izay hoe tsy lahatra akory ny fahantrana. Na ny filohan’ny SECES koa aza moa omaly dia nanao antso toy izany hoe mivavaha ho an’ny firenena fa tsy misy antenaina intsony amin’ity fitondrana ity. Ny CFM niantso fifampidinihana. Ny fikambanana, antoko politika, olon-tsotra, ny rehetra, hoy ny nambaran’ireo mpamakafaka sy mpanao politika izay samy resy lahatra fa tsy misy na inona na inona mandeha intsony eto. Izany rehetra izany no mibango tokana fa tsy atokisana intsony izao fitondrana izao raha hamoaka samirery ity firenena ity ao anatin’ny fahantrana lalina mianjady aminy. Miandry fifampihainoana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT