Tsy Aritra

> Mba hilamina amin’izay angamba


  • Talata 12 Novambra 2013

Tsy mbola mahazo toerana eto amintsika eo amin’ny tontolo politika mihitsy aloha hatreto ilay antsoin’ny rehetra hoe «3čme voie», adika tsotsotra hoe lalana fahatelo na ankolafy fahatelo.

Mbola mifantoka any amin’ny ankolafy roa na firehana roa foana ny safidin’ny malagasy mpandrotsa-bato, ka dia izao iaraha-mahita izao fa olon’ireo ankolafy roa niaingan’ny krizy tamin’ny 2009 ihany no hifanandrina amin’ny fihodinana faharoa. Midika io fa tsy maintsy ny iray amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina izany no hitantana an’i Madagasikara amin’ny dimy taona manaraka. Fotoana nahafahan’ny firehana fahatelo nisongadina ny krizy nisy teto, saingy tsy tanteraka izany satria ireo mpanao politika mihitsy no toa tsy mahavita azy fa mionona ny amin’ny zava-misy. Resaka ambony latabatra no tena betsaka fa aotra ny fampiharana. Kianina mafy ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina, kanefa tsy misy mahavita mandresy lahatra ny Malagasy mba hiala amin’ireo ankolafy roa ireo, hatreto aloha. Ny ankolafy sasany heverina fa goavana moa dia tsy hita tabilao raha tsy hoe misy savorovoro na korontana, na fanonganam-panjakana. Azo tarafina amin’ny zava-misy teto nandritra ny dimy taona latsaka kely ny mety ho endriky ny tontolo politika eto Madagasikara atsy ho atsy, fa dia hipetraka amin’izay izany ny firehana politika roa goavana samy manana ny foto-kevitra ijoroany sy ny vinam-piarahamoniny tsirairay avy. Efa zava-misy any amina firenena maro izany, ary efa fototra iaingana sahady amin’ny fifandimbiasam-pahefana am-pilaminana. Rehefa tsy nahafa-po ny vahoaka mantsy ny hery an-kavanana, ohatra dia mifidy ny hery an-kavia indray izy amin’ny manaraka. Resaka fampiharana fandaharanasa sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka ary fampandrosoana ny firenena ihany no resaka eto fa tsy resaka fiaviana na finoana … Fifandimbiasam-pahefana araka ny asa natao, fa tsy araka ny faritra niaviana, na ny anaram-pianakaviana no tokony hisy amin’ny firenena tena demokratika. Mbola maro no mino sy manantena fa mba hisy fifandimbiasam-pahefana milamina amin’izay eto Madagasikara, ary mba tena hiova marina ny tantara fa tsy hiverimberina tahaka ny nahazatra tato anatin’ny 41 taona.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT