Tsy Aritra

> Aza dia be nofinofy loatra e !


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013


Ny hevitra tera-bary, hoy ny Malagasy, ary dia tena samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny tokoa ny tsirairay manoloana izao raharaham-pirenena izao. Misy ny mankasitraka ity fifidianana ity, misy ny tsy resy lahatra mihitsy. Misy ny mihevitra fa fampihavanam-pirenena aloha izay vao fifidianana, ny sasany indray mahita fa izay filoha lanim-bahoaka eo no hitarika ny fampihavanana. Henjana tato ho ato ny fanakianana nahazo ny CENI-T noho ny tsy fetezana hita tamin’ny fifidianana ny 25 oktobra lasa teo. Vao mainka nitombo ny fahasosoran’ny olona sasany rehefa hita fa mitarazoka ny fanangonana ny voka-pifidianana ary tahaka ny tsy matotra izany ilay fomba fiasan’ny CENI-T, dia indro fa nivoaka indray ny resaka fa tsy tokony hanaiky hobaikon’ny sehatra iraisam-pirenena ny Malagasy fa mila sahy hijoro ka hanao izay hitany fa mety sy mahasoa aminy. Mbola adihevitra izao ny hoe asiana tovana ve ny lisi-pifidianana ka ampidirina ao avokoa ireo rehetra tsy afaka nifidy tamin’ny fihodinana voalohany ? Tsy dia marisika amin’io ny sehatra iraisam-pirenena raha zohina ny tenin-dRamatoa Fatma Samoura, Solontena maharitry ny Firenena Mikambana sy Atoa Leonidas Tezapsidis masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika.

Miparitaka be eto amintsika fa misy ny kandida tian’ny sehatra iraisam-pirenena apetraka ho filoha eto Madagasikara, ka na inon-kidona na inon-kihatra dia tsy maintsy io kandida io no ho mpandresy. Mitombina tokoa ve izany ? Sao dia tsy tena izay no izy ? Ny azo antoka aloha dia matanjaka ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy vahaolana mihitsy ny mifanandrina na miady aminy, indrindra fa ho an’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara. Natanjaka izany Irak sy Libia izany fa tena potika tanteraka ankehitriny noho ny fifandiran’izy ireo naharitra tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy tokony hatao sakana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny avy any ivelany ny fiandrianam-pirenena. Ny mpitondra no mila matsilo saina sy mailo ka mahay miresaka amin’ny mpiara-miasa, na firenena vahiny io na fikambanana iraisam-pirenena. Tsy fotoan’ny revolisiona intsony izao, fa mila hay ny maka tombontsoa avy amin’ny fanatontoloana. Tsara ho fantatra fa fampiasam-bola vahiny no nampanankarena ny ao Dubai (Emirates) sy Korea Atsimo ary ny Nosy Maorisy etsy akaikintsika kely etsy. Nitana ny maha izy azy ireo firenena ireo fa nahay nifampiraharaha tamin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Zavatra azo atao tsara izany. Mila mitandrina isika fa tsy ho roboka amina kabary tsara lahatra mampanofinofy fa hijoro ny Malagasy ka hanohitra ny rodoben’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy saina manao bontolo hanohitra be fahatany no ilaina, fa saina matsilo mahay mifampiraharaha sy mikaroka izay mahasoa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT