Nanambara ny Vondrona Eorôpeanina ny alarobia 28 jolay lasa teo fa vonona hanome famatsiam-bola 6 ka hatramin’ny 9 tapitrisa euros hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena any amin’ny Repoblikan’i Centrafrique. Ny antony dia satria resy lahatra ny Eorôpeanina fa tanteraka ny fametrahana ilay fitondrana tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana ary eken’ny rehetra ao amin’ity firenena izay nikorontana noho ny adim-poko sy ny ady an-trano ity. Tokony hotanterahana afaka roa volana latsaka eo ny fifidianana filohan’ny Repoblika any amin’ity firenena ity, saingy mbola miandry ny fankatoavan’ny filankevitry ny ministra izany. Manana ny CENI izay mikarakara ny fifidianana, tahaka antsika koa moa ny Repoblikan’i Centrafrique saingy ny maha samihafa ny any sy ny eto, dia efa nahita ny marimaritra iraisana ireo ankolafy politika rehetra ka samy nandefa solontena any anatin’ireo rafitry ny tetezamita.
Toa mbola manamafy ihany izao tranga izao fa ny tetezamita amin’ilay antsoina hoe : «consensuelle et inclusive» ihany no tena mandresy lahatra ny Fikambanambe iraisam-pirenena fa tsy ity hoe «neutre» araka ny filazan’i Andry Rajoelina ity. Tena sarotra tokoa mantsy ny hino ilay hoe : tsy momba ny atsy na ny aroa, ny mpitondra ao anatina tetezamita izay nanongam-panjakana, ary mitady ny fomba rehetra hanilihana ny antokon’ilay fitondrana teo aloha, ary miezaka arak’izay tratrany amin’ny fanomezana toerana ireo mpiara-dia aminy na amin’ny fitantanana ny firenena izany na amin’ny fikarakarana ireo dinika sy fanelanelanana rehetra. Manampy izany dia efa maro no tsy matoky ity Dinika Santatra atrehana izao ity, satria tena hita mibaribary fa mametraka ny fakany any amin’ny fototra ny mpitondra ao anatin’ny tetezamita fa sinema fotsiny no mody atao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.