Tsy any ny aty!

Tontosa hatramin’ny farany iny ny fihaonana an-tampon’ny SADC,


  • Talata 19 Aogositra 2025

andiany faha 45, izay natao teto Madagasikara. Anjarantsika izany izao

no mitantana izay vondrom-pifanakalozana ara-barotra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika izay mandritry ny 1 taona. Efa novelabelarin’ireo mpamakafaka sy heverina hoe manam-pahaizana momba ny fifandraisana iraisampirenena samihafa ny mety ho tombony sy ny mety ho fahavoazantsika malagasy, raha sanatria tsy mahay mamindra eo. Nazavaina teo amin’ny sehatra iraisampirenena hatrany, na tamin’ny alalan’ireo haino aman-jery iraisampirenena samihafa io na tamin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenana iraisampirenena samihafa ihany koa fa tsy fidiana akory izay ho filoha hitantana ity rafitra iraisampirenena voalaza teo ity fa toerana ifandimbiasana ilay izy. Ny mpanohana ny fitondràna ankehitriny moa mivohy ny hoe voafidy hitantana nefa ny filoham-pirenena malagasy ary heverina fa andro laniana ny sy mety ho azon’ny sasany ho avadika fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» tampoka eo koa aza ny adihevitra heverina hoe tsy misy dikany toy izany. Ny fanontaniana lehibe voalohany tokony hipetraka amin’izay izany manomboka eto dia ny hoe «Nitondra inona ho an’i Madagasikara ary iny fandraisana fihaonana an-tampony iny ary hitondra inona ny fitarihana ity vondrona iraisampirenena ity mandritry ny 1 taona?». Io efa iaraha-mahita io aloha ny adihevitra be mikasika ny lazaina fa lala-migodàna 8km monja. Tena toy izao tokoa ve no fenitry ny atao hoe «lala-migodana» na «autoroute»? Anaty kabariny amin’ny maha filohan’ny SADC azy ny filoham-pirenena malagasy no mampanantena ireo firenena miisa 16 mikambana ao anatin’izany ny antsoina hoe «autosuffisance alimentaire» na fahavitan-tena ara-tsakafo nefa ny firenena izay tantanany fotsiny aza no lasa mitombo foana ity isan-taona ny fanafàram-bariny raha toa ka nalaza ho firenena sompitry ny vary tamin’ireo repoblika miisa 3 teo alohany. Fanontaniana mipetraka koa aza ny hoe inona tokoa moa izany sisa izao no hany mba tsy afarana eto amin’ity firenena ity? Ireo firenena mikambana eo anivon’izany SADC izany ve azo ampihesonina tahaka izao vahoaka malagasy tafalatsaka lalina anaty fahantrana izao na koa hoe tafalatsaka anatin’izao firenena faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izao? Tsy any ny aty, hoy ilay fomba fiteny izay! Tsy mitovy ny eto sy ny any.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT