Edito

Tsy Antananarivo irery no Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Tsy Antananarivo irery no Madagasikara. Marina tokoa ! Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny.

 

Nitondra vahaolana ho an’i Madagasikara izay tsy Antananarivo irery ve ilay olona nambaran’izay niteny io fehezanteny io fa lany ho filoham-pireneny, herintaona lasa izay ? Samy nibitaka daholo ny ankamaroan’ireo voambaran’ny tribonaly misahana amin’ny ady amin’ny fanjakana fa ben’ny tanàna sy npanolotsain’ny tanàna manomboka izao. Hita ho faly sahirana ihany anefa ny ankamaroany satria na dia samy nilaza ny hanao fiaingana vaovao aza dia hita ho samy mahatsiaro any amparahatony any fa samy hiverina hiainga izany satria tsy nisy tontosa hatramin’ny farany ny dingana nataon’ireo teo aloha noho ny adilahy politika hifandrombaham-pahefana sy tsy nahafahan’ny hafa nampandroso. Mbola mitoetra ny asan-dahalo any atsimo. Saika manerana ny faritra no ahenoana vono olona feno habibiana. Kolontsaina tsy mbola heno teto Madagasikara mihitsy izany fakana takalon’aina izany kanefa dia zary lamaodin’ireo olon-dratsy ilay izy tato anatin’ny “repoblika fahefatra”. Ny eto Antananarivo moa dia mitohivakana ny fahenoana zaza very. I Besarety navotan’ny fitondram-panjakana aza vao mainka lasa azo hanjonoina rehefa avy orana, hoy ny vazivazin’ireo mponina eny. Tsy Antananarivo irery tokoa no Madagasikara ary vao mainka hita izao fa tsy Antananarivo irery no mijaly sy vao miha mijaly rehefa nolazaina ho nampijalian’ny teo alohan’izao fitondrana izao rehetra. Hanavotra ny vokatry ny tsy nety nataon’ny teo alohany rehetra tao anatin’ny 58 taona, hono, mantsy ity fitondrana ity. Lasa izay ny herintaona tokony nanavotany ny tsy netin’ireo hafa tao anatin’ny 10 taona saingy raha ny misongadina hatreto izay nezahana notakonana tamin’ny jiro krismasy aloha dia nahitana fahasahiranana tsy hita tao anatin’ny 10 taona izay herintaona izay ary ho an’ny nosy iray manontolo mihitsy io satria tsy Antananarivo irery no Madagasikara. Io tokoa ary Antananarivo ankehitriny fa mbola nomena ny mpiray loko amin’ilay nolaniana ho filoham-pirenena ka dia ho hita eo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT