Manjaka eto amintsika amin’izao ny tsolotra sy risoriso amin’ny fanendrena olona ambony sy fampidirana olona amin’ireny fifaninanana hidirana amina sekoly ambony manofana ho mpiasam-panjakana ireny.
Velon-taraina ny zanaka Malagasy nanao fifaninanana hidirana ho polisim-pirenena satria tsy mbola nivaly hatramin’izao noho ny antony tsy mazava, tsy misy fampahafantarana. Nampiaka-peo momba kolikoly amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ao amin’ny sekoly ambony fanofanana ho mpitsara ny firaisamonim-pirenena iray. Tsy andrenesam-peo sy tsy mitondra fanazavana ny tompon’andraikitra fa dia mangina any amin’izay misy azy any. Matahotra ny tsindry sy ny fandrahonana ataon’ny olona ambony angamba, ka dia aleo mitandrina sao ny tena no ho voatsoaka amin’ny toerana mialoha ny fotoana eo. Ny olona ao an-dapa sy tena akaiky ny tompon’andraikitra ambony indrindra no voalaza fa tena mandidy sy manapaka noho ny bizina eo amin’io sehatra io. Hatry ny ela izao no nandrenesana fa olona ambony iray no mikasa hampiditra polisy miisa 300 be izao amin’ity taona ity, ka volabe an-tapitrisa maro isan’olona ny sandany. Atao mahagaga ve raha manjaka ny kolikoly ataon’ny sasany amin’izy ireny rehefa vita fiofanana ka mandray asa ? Zary lasa fananan’olon-tokana ny fanjakana sy ny firenena, ka izay tian-katao eto no atao. Zary tena fositra sy mampitotongana ny asam-panjakana eto amintsika, saingy tsy miasa saina firy amin’izany ny mpamotika tanindrazana, izay mihevitra fa azy irery i Madagasikara, ka izay tiana atao dia mety sy tsy maintsy ankatoavina daholo. Ara-bakiteny ny tenin’ilay ramatoa iray malaza amin’ny kolikoly hoe : “izahay izao no eto”!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.