Edito

Tsy an-kitsitsy


  • Zoma 06 Novambra 2015

Mitodika eny amin’ny antenimieram-pirenena indray ny maso sy ny sofin’ny mpanara-baovao anio. Hifanatrika ny governemanta sy ny depiote. Zavatra efa mahazatra sy fanao ihany izy io saingy hafa noho ny hafa ny amin’ity indray mitoraka ity.


 Mafana mantsy ny raharaha politika satria maro ny zavatra mampiady hevitra. Eo, ohatra, ny resaka tetibolam-panjakana, manana ny eritreriny ireo depiote. Tsy maintsy mifehy kibo anefa isika fa tsy manam-bola, hoy ny governemanta. Mety hampifandona ny roa tonta koa ny resaka filaminana sy fandriampahalemana satria tsy milamina ny any atsimo any. Resaka hafa mafana ihany mbola any atsimo ihany koa ny Kere. Voatsikera ho mitarazoka fomba fiasan’ny fanjakana momba azy io. Azo antoka fa tsy maintsy horesahana koa ny momba ny iles éparses, ny resaka tanin’ny labatoara eny Andohatapenaka ary atao kadoany ny mety ho fitakian’ireo depiote ny tombontsoany manokana tahaka ny fanomezana fiara 4x4, indrindra fa efa vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Manampy ireo ny raharaha nahavoarohirohy depiote tamin’ny resaka halatra omby…Azo antoka fa hamatrapatratra ny depiote saingy efa vonona amin’ny angady sy ny harona koa ny governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT