Araka ny fandinihan’ny manampahaizana Malagasy iray dia antony tsy mampandroso sy mampikorontana lava ny firenena Afrikanina, tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara ny tsy fahampian’ny tena mpitarika, io ilay antsoina hoe “Leader”, mpanao politika sy teknisianina no maro an’isa.
Mbola misy aza amin’ireo no tsy mieritreritra izay tombontsoa iombonana, na mahasoa ny firenena izany fa manao izay hahafeno ny paosiny fotsiny. Hita ho tena marina sy mitombina izany rehefa dinihana akaiky ny zava-nitranga rehetra taty amin’ny kaontinanta Afrikanina tato anatin’ny 5O taona. Tahaka ny soavaly tapa-kofehy ireo mpanao politika raha vao azo ny fahaleovantena, nifandrombahana ny hiditra ao anatin’ny fitantanana ny fanjakana, velona teo ny ambara fa fitiavan-tanindrazana, koa ny mpitondra sasany dia nandika izany ho fijanonana eo amin’ny sezany mandrapahafatiny, tsy nisy vinavinan’asa matotra, fa dia «programan’ny ho hita eo ihany ny ampitso» no tao an-dohan’ireo mpitondra Afrikanina. Ireo mba manampahaizana sy afaka nianatra tany Eoropa na Etazonia kosa dia nanonofy antoandro ka nanery ny mpiray tanindrazana aminy hanaraka ny fomban’ny vazaha mpanjanaka, hany ka matetika zavatra mifanohitra amin’ny fomba sy ny filan’ny vahoaka no nandanian’ny mpitondra fotoana hotanterahana.
Efa hita teto Madagasikara izany. Natao teto ny politikan’ny kibo, niainana naharitra teto ny revolisionina sosialista, nibosesika tampoka avy eo ny fanalalahana sy ny demokrasia, natao filamatra ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, nambara fa havokavoky ny toekarena. Tsy misy maharatsy izany rehetra izany, saingy ny olana dia matetika tsy nifanaraka tamin’ny zava-misy marina sy ny tena maharary ny vahoaka ireo fandaharanasa ireo. Tsy voatery hatsilo saina daholo akory ny olon-drehetra, saingy misy ny teknikam-pitantanana sy fitarihana, azo ampiharina tsara eto, misy zavatra tsara maro be hitan’ny vahiny momba izany, ka azo halalinina ireny dia hampifandraisina amin’ny zava-misy iainana isan’andro eto Madagasikara ary hamoahana karazana raikipohy ho an’ny seha-pihariana rehetra.
Tsy mora izany fa tena asa lavitr’ezaka, efa nanomboka nanao an’io ny fitondrana teo aloha tamin’ireo karazam-panofanana ny olom-panjakana rehetra, niainga tany amin’ny sefo Fokontany ka hatrany amin’ireo ministra sy lehiben’ny faritra, ny NLIM na ny ivontoeram-pirenena momba ny fitarihana mahomby no niandraikitra izany asa makadiry izany. Foana tanteraka ary tsy misy intsony anefa izany amin’izao fotoana, ary tena tapaka teo am-panombohana ilay tetikasa saika nampitana ny fahaiza-mitarika ho an’ny Malagasy rehetra manana andraikitra sy mitarika olona. Tsy vitan’ny resaka politika sy fahaiza-mitantana fotsiny ny asa fampandrosoana fa tena mila fahaiza-mitarika na leadership. Efa misy ny olona manana talenta voajanahary amin’izany, ka ny fisiana ivontoeram-panofanana no hahafahana mitily ireny olona ireny.
Tsy resaka fanavakavahana mihitsy izany fa tena misy ny olona natao hitarika sy hanova ary misy kosa ny mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy izay rehetra manam-pahefana akory dia mahiratra amin’ny fitarihan’olona avokoa, ary tsy hoe rehefa mpiasa madinika dia domelina be foana. Ilain’i Madagasikara, ilain’ny Malagasy ny fananana mpitondra, manampahefana, tompon’andraikitra ambony, mpiasa tsotra, tena mahira-tsaina sady mahay mitantana no mahay mitarika fa tsy hoe hafa no ambara an’io, dia zavatra hafa mifanipaka amin’iny mihitsy indray no atao rahampitso. Voakasik’izany ny sehatr’asa rehetra satria misy teknika ny resaka fampandrosoana fa tsy vitan’ny fandaharanasa tsara soratra anaty boky fotsiny, na kabary be isaky ny asaramanitra fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.