Mampanahy be ihany ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena satria miha mipoitra isan'andro ny tsy fifankahazoana eo amin'ny samy mpitondra sy eo amin'ny mpiray ankolafy.
Ny vahoaka moa dia manara-drenirano ny zava-misy eny fotsiny, efa tena tsy maharaka intsony izay havia sy havanana amin'ilay resaka politika izy ireo. Raha ny zava-misy aloha hatreto, dia tsy hitondra fitoniana ilay famotsoran-keloka nandrasana efa ho roa taona sy tapany. Toa nitondra fivakisana sy fisarahana eo amin'ny tontolo politika sy ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny indray aza ilay izy. Lasa nifantoka fotsiny any amin'ny olona mahazo na tsia no nandaniana andro niadian-kevitra sy nifanasana vangy, fa adino kosa ny fototra ijoroan'ny famotsoran-keloka sy ny tanjona amin'ny fampiharana azy. Toa lasa adihevitra tsy mitera-bokatsoa ho amin'ny famahana ny krizy sy ny hoavin'ny firenena akory no hita ary dia roboka amin'izany, ny ankamaroan'ireo anefa mpanao politika.
Efa mba hita ihany ireo karazana krizy tany Afrika, neritreretina fa ho saro-bahana sy haharitra mandrakizay, kanefa dia nilamina ihany. Hita ny marimaritra iraisana, tsy nisy ny sangodim-panina tsy hita fiafarana tahaka ny mitranga eto amintsika ankehitriny. Ny tena marina angamba dia samy miseho ho mahay azy sy misy atidoha ny mpanao politika eto Madagasikara, mieritreritra ny tenany tsirairay avy ka tsy miraharaha firy ny hevitry ny hafa. Niezaka nivondrona ihany teo aloha kely teo ireo atao hoe mpanao politika eo amin'ny hery afovoany, saika hijoro ho elanelam-panahy tamin'ireo mpifanandrina fototra, saingy tsy lasa lavitra ry zareo, dia izao mbola mahazo laka eto izao, ny fifandirana tsy mety ahitana marimaritra iraisana.
Toa resahana am-bava sy ambony latabatra fotsiny ny hoe fampihavanam-pirenena sy famotsoran-keloka fa raha ny fampiharana azy aloha dia mbola mampanahy ihany e ! Tia milalao baolina loatra ny mpanao politika malagasy, hany ka miha mafy hatrany ny krizy ary izay vahaolana rehetra aroso hamahana azy dia sarotra tanterahana avokoa, satria ny finiavana hivoaka amin'ny krizy no tsy ampy, na tsy misy mihitsy e ! Anaty savorovoro sy sangodim-panina no handinihana sy handaniana ny famotsoran-keloka, dia rehefa misy ny tsy hifanarahana dia antsoina indray ny Troikan'ny SADC handamina. Dia izany foana ve no fiainana eto e ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.