Edito

Tsy ampy finiavana !


  • Alarobia 22 Febroary 2017

Fomba fisaina zary raiki-tapisaka amin’ny Malagasy, indrindra ny mpitondra, ny miantso manampahaizana avy any ivelany.

Na zavatra tokony ho vitan’ny samy Malagasy aza dia hiankinan-doha amin’ny hafa hatrany, hany ka sady lany vola kanefa tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny akory. Antsoina daholo izao teknisianina sy manampahaizana vahiny izao hamaha ny olan’ny Malagasy, fa atao anjorom-bala kosa ireo manampahaizana eto amintsika, izay azo ambara ho mahalala ny olana eto amin’ny firenena sy mahafehy ny kolontsaina. Ny resaka ady amin’ny kolikoly, ohatra, dia nanafarana manampahaizana avy any ivelany mihitsy. Tsara ny fifampizarana traikefa saingy mino ve isika fa hahavaha ny olana izany ? Mila fikarohana ara-piarahamonina lalina, toy ny resaka kolontsaina sy fomba amam-panao io, fa tsy misy lasitra raikitra, ary tsy hitovy mihitsy ny zava-misy any ivelany sy eto amintsika. Misy ny zavatra tsy maintsy ilana ny vahiny, fa misy kosa ny tsy mety raha tsy isika samy isika no mifandrindra, fa anjaran’ny Malagasy no miara-mandanjalanja izay tokony hatao. Finiavana sy faharesen-dahatra, indrindra fiaraha-mientana, no ilaina eto amin’ny firenena fa tsy seho ivelany, ka aleo tsy mamita-tena sy mamita-bahoaka amina sarintsarim-pihetsika sy sarintsarina vahaolana.Fa io koa rehefa tsy taitra ny tena tompony dia ataon'ny hafa e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT