Edito

Tsy ampy finiavana


  • Zoma 22 Aprily 2016

Rehefa navadibadika ny tahirin-kevitra hatramin’ny nitondran-dRajaonarimampianina ny firenena nanomboka ny 25 janoary 2014 dia


hita fa tena maro tokoa ny tetikasa hita fa hampandroso ny firenena, hiadiana amin’ny fahantrana. Ny olana miverimberina anefa dia mijanona amin’ny sehatry ny vola ny zava-drehetra. Mikatso ilay fitondram-panjakana raha vao asa mivaingana no resahana. Tsotra ny antony : tsy misy ny vola ! Fa nahoana no tsy misy ny vola ? Satria ny tahiry nananan’ny firenena dia efa lany nampihodinana ny raharaham-panjakana nandritra ny tetezamita. Tsy afaka namokatra i Madagasikara noho ny olana nianjady tamin’ireo orinasa ka narary ny toekarena. Ireo mpamatsy vola moa dia nanidy poketra satria tany tsy milamina, nisy fanonganam-panjakana ary tsy mbola misy fitoniana isika. Ny tena zava-doza eto dia sady mandainga amin’ny vahoaka, no mandainga amin’ny tenany ny mpitondra, diso paikady, diso kajy ka izao fiainana dangodango izao no misy eto amin’ny firenena. Toa samy manao izay saim-pantany fotsiny sisa. Grevy etsy sy eroa, tsy misy vahaolana mahomby. Halatra, fisolokiana, fakana an-keriny, fandrobana, re avy eo fa hoe manana mpiaro ao ambonimbony ao ilay jiolahy tratra. Afaka mandamina izao savorovoro iainan’ny firenena izao ny mpitondra raha tena manana finiavana politika ho amin’ny soa iombonana marina fa tsy variana miaro ny sezany fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT