Edito

Tsy ampy faharesen-dahatra


  • Alakamisy 14 Aprily 2016

Nivalona hatreo izany ny momba ny jeneraly Jean Ravelonarivo, tsy hiadian-kevitra intsony ny hoe oviana marina izy no nametra-pialana, tsy nisy iroe mpahay lalàna sahy nijoro nilaza ny tsy mety tamin’iny fialan’ny governemanta sy ny fanoloran’ny parlemantera anaran’ny praiminisitra ary ny fanendrena ny praiminisitra vaovao.


 Atao ahoana moa fa eto Madagasikara na sambo be mitondra kaontenera efa ho 250 feno boaderozy izao aza dia tsy  misy mahita ny nandehanany. Tany efa manana tompony ara-dalàna izao hahavitan’olon-kafa taratasy vaovao mihitsy fa hoe an’azy tampoka hono.Tahaka izany ihany koa ny kabary, samy mahay mikabary daholo, tsy dia mifanalavitra ny zavatra ambara :tsy manavaka, tsy manilika, vonona hiresaka amin’ny rehetra, tena hiasa, tsy hanaiky ny androbana ny harem-pirenena, ho hentitra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana…Saingy indrisy fa tsy mety mahatsapa fitoniana ny Malagasy, mitaintain-dava, lany andro manantena, diso fanantenana isaky ny mihetsika. Tsy resaka halako bika tsy tiako tarehy mihitsy fa efa hita fa ekipa tsy nahomby izao ve dia mbola tazonina eo ihany e ! Koa na ifamadibadika in-jato eo aza ny toerana rehefa tsy ao mihitsy ilay faharesen-dahatra hiasa ho amin’ny tombontsoa iombonana dia tsy mety io e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT