Tsy afak’olana !

Ny omaly tsy miova tahaka ny volan-kakafotra ny


  • Talata 06 Febroary 2024

fiainan’ny Malagasy hatreto. Ny mpitondra manamafy ny sezany,

lany andro mihodinkinkodina am-pitoerana fa tsy hita izay vokatra sy fahombiazana, fa ny vahoaka kosa miha milentika ao anaty fahasahiranana. Inona tokoa moa izao ny zavatra tsy mampikaikaika ny maro ? Ny vidim-piainana miha midangana andro aman’alina. Lazaina fa ezahina tsy hihoatra ny 7,7% ny tahan’ny sondro-pidim-piainana amin’ity taona ity fa moa tena araka izany ve ny zava-misy? Nandeha ny fitanisana zavatra maro ao anatin’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana, izay tena mirarakopana. Fa moa vao izao ve no nanolotra PGE fa efa nisy tao anatin’ny 5 taona voalohany dia nanao ahoana ny vokatra? Moa tena misy ny hoenti-manana hanatanterahana ireo zavatra notanisaina sa dia fombafomba fotsiny hoenti-maneho fa misy ny programan’asa. Betsaka aza no zavatra efa notanisaina tany amin’ny propagandy 5 taona lasa no miverina, fa ny firesahana azy no mety novaina kely. Hatreto, ny politikan’ny ala olana sy ny seho ivelany no mirarakopana, hany ka tonga hatrany amin’ny fananganana rafitra maro ho eo ambany soroky ny Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy manao zavatra. Foronina avokoa izao sekreteram-panjakana samihafa izao izay raha hatambatra ny olona handrafitra azy dia mety mifanahantsahana na mihoatra ny isan’ireo mpikamban’ny parlemanta roa tonta aza. Any amin’ireny no mahaseriny, fa ny olana ifoton’ny vahoaka adino, ka ampahan-javatra no hanaovana serasera fa tena miasa. Izay tena vahaolana mahafaobe ho an’ny Malagasy mba hahafahany tena mivelatra sy miala ao anatin’ny fahantrana kosa tena mbola lavitry ny kitay ny afo. Ny toekarena mitolefika, ny sosialim-bahoaka mandohalika, ny fahalasamam-bahoaka tandindonin-doza noho ny zava-misy ato anatiny sy ny mety hidiran’ny valanaretina avy any ivelany,… Tsy vitan’ny sehoseho ivelany sy ny serasera intsony izao, fa tena mila politikam-pitantanana mahomby sy asa mivaingana mipaka amin’ny valalabemandry raha tena niomana sy vonona hitondra firenena tokoa !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT