Edito

Tsy afaka sady miasa ve no….


  • Talata 03 Aogositra 2021

Nandeha ny fampanantenana na fampahafantarana. Nampahatsiahy ny haino aman-jery. Notanterahana ny ampahany tamin’ilay fampanantenana na fampahafantarana.

Toy izany foana no zary lasa politikam-pitantanana teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 3 taona latsaka kely izay. Tsy haka lavitra fa na ny mikasika ity raharaha fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ity fotsiny aza. Herinandro mahery kely teo izany no nanao fanambarana voalohany mikasika ny fisiana fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena ny mpampanoa lalana ambony ary nilaza anarana vitsivitsy voarohirohy tao anatin’izany. Samy velom-panontaniana ny rehetra taty aoriana hoe toa nangingina taorian’izay ny teo anivon’ny solontenam-pitsarana fa ireo kaonty fako tany anaty tambazotran-tserasera indray no nanohivakana namoaka ireo dosie no sady toa tsy nanaja ny atao hoe tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny resaka mbola fiahiahiana fiampangana fotsiny ihany na ilay antsoina hoe “présomption d’innocence”? Rehefa sesilany nandritry ny fotoana maro izany fanontaniana izany dia indro fa nipoitra tamin’ny haino aman-jery samihafa indray ramatoa mpampanoa. Teo alohan’izay moa dia nipetraka koa ny fanontaniana mikasika ny lalam-pirenena faha 13 dia niseho ny serasera naneho fa efa manomboka ny asa fanamboarana. Ampahany tamin’izany lalam-pirenena izany koa anefa avy eo no nomarihin’ny mpahay lalana sady zanak’iny faritra iny fa voalazan’ny filoham-pirenena tamin’io fa tsy tena mahafehy ilay RN 13 manontolo. Dia saika toy izany hatrany ve izany no hampihainana ny vahoaka Malagasy mandram-pahatapitr’izao taom-piasan’ny fitondrana ankehitriny izao? Asa na hipoitra ihany koa ny mikasika ny Miami sy ny Tanamasoandro aoriana kely ao fa ny tena andrasan’ireo lanaky ny fitohanan’ny fifamoivoizana aloha, raha tsy hilaza ny eto an-drenivohitra fotsiny, dia ity lala-marolafy na mifampitaingina, izany hoe, “flyover” etsy Anosizato sy Andohatapenaka ity. Mialohan’izay anefa mazava ho azy ny resaka fampidinana ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny, fara fahakeliny, famerenana amin’ny laoniny ireo vidin’entana ilaina an-davan’andro. Tsy afaka sady miasa mitady vahaolana momba izany rehetra izany ao anatin’izao roa taona mahery kely sisa izao ve ny filoham-pirenena sy ny governemantany dia mba mamela malalaka ny mpitsara sy ny ratsa-mangaikany fotsiny ihany hisahana ilay raharaha iray malaza iry ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT