Tsy afaka ny hiaiky mihitsy ve?

Tsy misy afa-tsy fifanaratsiana sy fifamotehana na an-kolaka


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

io na mivantana hatreto no tsikaritra amin’ny fomba fiteny na

fijerin’ireo manohana izao fitondràna izao, eny, hatramin’ireo manana andraikitra eo anivon’izany fitantanana ny firenena izany, na olom-boafidy io na olom-boatendry amin’ny ankapobeny. Toa an-kavitsiana sisa ireo mitana izay toerana maha tomponandraiki-panjakàna izay no mba mamoaka fanehoan-kevitra mankany amin’ny hoe fampiraisam-pirenena marina? Ny ankamaroany dia efa ho hila isan’andro mihitsy ny famendrofendroana ireo mpanohitra an’ity fitondràna ity na dia amina lohahevitra heverina hoe tsy tokony hisy idiran’izany aza. Nampahatsiahy ny fenitra sy lalàna mikasika ny atao fitokanana ny fananam-panjakàna moa omaly ny tomponandraikitra eo anivona antoko politika iray izay nilaza mazava fa tsy manana olana amin’ny filoham-pirenena fa manana olana amin’ny rafitra hitantanana ny firenena ankehitriny kosa. Mazava ho azy fa ho lokoin’ireo mpitaty ràn-kena anatin’izao fitondràna izao ho isan’ny atao hoe mpanohitra ihany koa izany izao iny filohana antoko iny na dia fanazavàna lojika madio fotsiny izao aza no nentiny nilazàna fa tsy fanao ny mitokana fotodrafitrasa tsy vita hatramin’ny farany. Mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny iray ihany koa no nanankihana ny fihetsik’ireo nahazo fitondràna ankehitriny ho toy ny mihevitra ny tenan’izy ireo haharitra eo mandrakizay doria amena! Dia ho lokoina ho mpanohitra koa ve izany izy iny? Tsy afaka ny hiaiky mihitsy ve izany ny fitondràna ankehitriny sy ireo mbola mikiry manaradia azy amin’izao fotoana izao fa tsy ny mpanohitra irery intsony ankehitriny no mahita fa mizotra any amin’ny lalana tsy izy ity firenena ity? Izany ve no tokony ho toetsaina mpitondra na mpitantana na tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity hoe izay mitsikera na manakihana rehetra dia andao ho lokoina avy hatrany hoe mpanohitra? Misy amin’ireo izay mitana toerana politika eto amin’izao fotoana izao mihitsy no sahy milaza fotsiny izao fa na ianao mpanohana ny fitondràna na mpanohitra. Dia gaga ireo nianatra ny atao hoe politika hoe izany no fandraisan’ny olona manana eto amin’ny firenena ny atao hoe politika. Tsy mahay na inona na inona daholo izany ireo firenena mandroso mametraka firehana maro toy ny hoe hery ankavanana na ankavia na farany havanana na farany havia ary ny hery afovoany. Mbola lavitra ny lalana, hoy ilay fomba fitenintsika izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT