Edito

Tsy afaka ny handevin-tsotrobe !


  • Zoma 29 Desambra 2023

Mivalona indray ny taona, ary miomana hitsena ny taona vaovao ny rehetra !

Samy manana ny fomba hiatrehany ny fety, fa ny tsy azo lavina dia betsaka no miaina amin’ilay hoe : mason-tsokona masom-boalavo ka izay kely hananana no ahiratra e ! Hita taratra amin’ny andavananandrom-piainan’ny rehetra ny fahasarinana, miantraika any anaty vilany ny krizy miseho amin’ny endriny maro. Taona vaovao izany dia tokony hananan’ny rehetra fanantenana vaovao, fiaingana vaovao, ainga vao,… Sanatria tsy finiavana hamendrofendro anefa, fa no mieritreritra fa ny tarehin-tsoritra fotsiny no hiova fa ny fahasahiranana sy ny fahantrana mitoetra. Ny delestazy, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny mpitondra tsy nahomby,… dia mbola hanara-dia sy malaina hisaraka amin-dRamalagasy hatreto. Tsy afaka ny hanary toky sy hitolefika lava anefa isika, fa ny zava-drehetra dia mila hakana lesona foana. Tsy adala ny Ntaolo nilaza hoe : « Indray mandeha ve no manta vary dia handeha handevin-tsotrobe ?». Mbola haverina foana fa mitaky adidy, mitaky finiavana, mitaky fahatsapan-tena, mitaky fandraisana andraikitra ny fanavotana an’i Madagasikara. Tsy vitan’ny fiarahamonina miolonolona sy samy maka ho azy intsony fa tena mila fitiavan-tanindrazana amin’ny lafiny maro : fitantanana, toekarena, sosialy, politika,… satria ny Malagasy no voalohany afaka hampandroso ny fireneny. Izao no fotoana tena ilàna ny antsoina hoe : « patriotisme économique » raha te hanavotra izao olana goavana ara-toekarena toy ny vola mitotongana, ka ny famokarana ato anatiny, ny fanjifana sy ny fampiroboroana ny vokatra Malagasy mba hivoatra, ny fifanomezan-tànana sy ny fanomezana vahana ny mpandraharaha Malagasy, ny fahaizana mijery ny laharam-pahamehana mba ena ho amin’ny tombotsoan’ny besinimaro fa tsy haitraitra lava,… no isan’ny ahafahantsika miarina. Tsy voahozona i Madagasikara sy ny vahoakany, mbola betsaka ny fanantenana na mety tsy hamokatra haingana anio sy rahampitso aza, saingy mila atomboka ny fanovana mba tsy ho vidian-dafo aoriana satria tena tsy mora ihany koa ny mandresy ny faharatsiana izay miseho amin’ny endriny maro ankehitriny !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT