Tsy afaka hinia mikipy foana

Tsy afaka hinia mikipy foana na hery ankavia


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

na hery ankavanana na iza na iza manoloana ny tranga rehetra miseho isan’andro

eto amin’ity firenena ity. Efa hita izao fa mikatso, mba tsy hilazana hoe mihemotra ny fiainam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao. Hafahafa daholo ny zava-miseho rehetra. Nangina aloha iny ny resaka biby hafahafa dia mipoitra indray ireny ny karandoha nibaladilady tetsy sy teroa. Ilay resaka fanolanana moa dia tsy mbola mety tapitra ihany fa vao mainka mirongatra hatramin’izao. Ny tsy fandriampahalemana mihitsy moa izany izao no mbola hita ho manjaka amin’ny ankapobeny. Ny politikam-pitantanana ny firenena tsy hita mazava hatramin’izao hoe mankaiza marina, na fitantanana tanàna io na distrika na firenena iray manontolo mihitsy. Ny fisolelahan’ireo milaza azy mpanohana ny fitondrana mijoro no tazana ho miseho lany hatrany. Lazaina fa hany tsy voabaikon’ny frantsay tamin’ireo rehetra nandalo ilay filoham-pirenena ankehitriny nefa iaraha-mahita io ny fitakiana ireo nosy manodidina fa very an-javona tanteraka. Lafrantsa no isany firenena matetika tsidihiny indrindra ary ny filoham-pirenena ao aza no tena hiresahany matetika. Firenena avy aiza tokoa moa no tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009? Efa hita izao fa tsy milamina ilay renivohitra dia mbola hoe toraka voninkazo ihany ho an’ilay mpitantana. 3 volana latsaka tokoa moa aloha izay no lasa. Enga anie mba ho diso tokoa ny tsikera rehetra fa tena ho tanteraka tsy ho ela, na dia tsy amin’ny fotoana hahafeno ilay 100 andro fa hihoatra ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT